Tsy mbola tonga eny amin’ny birao maharitry ny Antenimieram-pirenena hatramin’ny faran’ny volana novambra 2014 teo ilay volavolan-dalŕna fizarana ho enina an’Antananarivo renivohitra. Sokajian’ny solombavambahoakan’i Madagasikara Rajohnson Mamy ho fanapotehana tsotra izao ny maha izy azy ny renivohitry ny firenena
Malagasy efa nipetraka hatramin’ny taonjato maro nifandimby ity finiavan’ny mpitondra fanjakana ankehitriny hisisika hampandany ny karazana volavolan-dalàna mampisavorovoro ny sain’ny mpiara-belona ity. Tsy hanasaro-javatra tahaka izao ny fahefana mpanatanteraka raha mahalala tsara ireo trangan-javatra nolalovan’ny vahoaka Malagasy izay mifamatotra hatrany amin’ny tantaran’Antananarivo renivohitra, hoy ny depiote lany tao amin’ny boriborintany faha-3. Tsy mandà ny fandinihana arahina adihevitra momba ity fikasan’ny fitondram-panjakana hanavao ny sata hifampifehezana ny renivohitr’i Madagasikara ity olom-boafidy avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ity. Mahasarotiny azy kosa anefa ny fahafantarana amin’ny antsipirihany ny momba ny fahefan’ny ben’ilay tanàna hitantana ireo boriborintany enina. Fandaharam-potoanan’ny solombavambahoaka Rajohnson Mamy amin’ity herinandro ity moa ny hifampidinika amin’ny mpitantana ny tanànan’Antananarivo renivohitra mikasika ireo fotodrafitra ao amin’ny firaisana faha-3 toy ny fanamboaran-dàlana ao amin’ireo fokontany 34 izay milona ao anaty rano rehefa fotoam-pahavaratra tahaka izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.