Omaly tolakandro ihany dia efa namaly ny fanambaran-dRamatoa Lalao Ravalomanana sy ireo mpisolovava an’Atoa Marc Ravalomanana teny Faravohitra ny minisitry ny fitsarana Ramanantenasoa Noeline ary nilaza fa tsy mbola migadra izany mihitsy ity filoha teo aloha ity satria tsy mbola misy ny didim-pitsarana mampiditra azy ho any am-ponja. Mbola ny fanadihadiana manodidina ny nahatongavany teo Madagasikara tamin’ny alalan’ny fiaramandina tsy nanana fahazoan-dalana hiditra eto no atao amin’izao fotoana, hoy ny minisitry ny fitsarana.
Tsy mbola nanadina an’ity filoha teo aloha ity ny mpitsara, hoy ny minisitry ny fitsarana. Manjavozavo ihany ny fanazavana avy amin’ny mpitondra fanjakana momba ny raharaha Ravalomanana. Raha tsy mbola nisy tokoa ary ny didim-pitsarana hitanana am-ponja vonjimaika an’i Dada dia inona no anaran’io fihazonana azy any Antsiranana tahaka ny gadra io e ? Izay ilay nambaran’ny mpisolovava azy hoe fitazonana tsy ara-dalàna, efa tena tahaka ny gadra i Marc Ravalomanana : mihidy ao an-trano, tsy afaka mampiasa telefaonina, tsy tafaresaka tamin’ny mpisolovava azy, Rtoa vadiny ihany hatreto no navela hitsidika sy hiresaka aminy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.