Fifandrifian-javatra ihany iny resaka fizarana “tablette” sy fandaniana ny volavolan-dalŕna mahakasika ny tetibolam-panjakana 2015 nataonay solombavambahoaka teny Tsimbazaza tamin’ny faran’ny herinandro iny fa tsy misy hifandraisany velively, hoy ny depite Ravelonanosy Mamy Tiana avy amin’ny vondrona parlemantera TIM omaly.
Efa fangatahana nataonay solovambahoaka tamin’ny fotoam-panombohan’ny fivoriana tety Tsimbazaza ny hanomezana anay depiote fitaovana ho enti-miasa toy ny ordinatera sns… Nefa noho ny havesatr’ity farany dia nekena homena an’ireo filohana kaomisiona izany fa ny fitaovana kelikely toy ny “Tablette” no hatolotra anay tsirairay avy kosa. Amin’ity herinandro fiandohan’ny volana desambra ity no nifanarahana tamin’ny Telma mpiara-miombon’antoka fa hanomezany anay an’ireo “Tablette” ireo saingy noho izy ireo tonga aloha dia nenti-pahatsorana ny filoha’ny Antenimiera nanolotra izany ny faran’ny herinandro teo. “Mba mahagaga ihany moa”, hoy ny depiote Ravelonanosy Mamy Tiana fa tsy nisy niteniteny tamin’ny fanolorana an’ireo administratera sivily an’izany “Tablette” izany teny Iavoloha fa rehefa depiote no maka ny anjarany dia atao angoatenka ery !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.