Politique

Hafatr’i Dada « Mijoro amin’ny marina hatramin’ny farany isika »


  • Alatsinainy 01 Desambra 2014

Nampita hafatra ho an’ny Malagasy sy ireo mpiara-dia aminy mihaona tsy tapaka eny amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka ny sabotsy lasa Rtoa Lalao Ravalomanana rehefa avy nihaona tamin’ny vadiny dia ny filoha teo aloha Atoa Marc Ravalomanana

Manohana ny hetsiky ny FFKM

Fantatra tamin’izany ary fa salama tsara i Dada  ary mahatsiaro ny vahoaka Malagasy, indrindra fa ny eo amin’ny Magro. Manana finoana tanteraka Atoa Marc Ravalomanana satria Andriamanitra irery ihany no tompon’ny fahefana ary mahavita zava-mahagaga. Efa tafahaona vetivety  tamin’ny mpisolovavany avy any Afrika Atsimo  Brian Currin i Dada ary efa miasa sy mifandray amin’ny tompon’andraikitra isan’ambaratonga  io mpisolovava io na eto an-toerana na ny ivelany. Mampalahelo anefa  fa dia tsy mba afaka nihaona tamin’ny mpisolovava azy teratany Malagasy Atoa Ravalomanana.  Tsy navela hiditra hijery an’i Dada izy ireo saingy  mino foana isika ary tsy kivy, hoy ny hafatra nampitaina ny sabotsy teo. Momba ny fiainam-pirenena sy ny fikaroham-bahaolana ivoahana amin’ny krizy kosa dia nametraka hafatra i Marc Ravalomanana. « Manohana sy manamafy  ny fampihavanana izay tarihin’ny raiamandreny am-panahy FFKM  aho ary manantena fa hivoaka ny marina satria ny marina dia marina foana. Matoky  isika fa mahalala sy mahay, mahavita ny hiafaran’ny krizy  manjo ny Malagasy ny fampihavanana sy ny fiaraha-miasa amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ».

Manam-pinoana tanteraka

Mba tsy haha tompon-trano mihono, indrindra ho an’ireo mpitolona ao amin’ny Magro dia nanamafy indray i  Dada hoe : « minoa fotsiny ihany. Aza adinoina fa isika Malagasy dia iray ihany ka tsy hiady eny an-tsisin-dalana. Matoa nisy ny honohono, siosion-dresaka, fanaratsiana, fanenjehana dia ny antsika ny marina foana, tsy azo iadiana ny marina. Isika dia mijoro amin’ny fahamarinana eto amin’ny kianjan’ny finoana.  Tsy maintsy mitrandraka ny finoantsika rehetra ary mametraka izany eo ambany fitahian’Andriamanitra isika. Homba antsika Andriamanitra. ». Nambarany koa fa mijoro amin’ny marina hatramin’ny farany izy ary manohana ny hetsika fampihavanam-pirenena tarihan’ny FFKM. Namerina ny maha zava-dehibe ny fitoniana sy ny hanalavirana ny herisetra sy adiady koa anefa ny tenany fa tsy maintsy ho hita ny vahaolana ivoahana amin’izao krizy izao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT