Hanatanteraka fihaonambe ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara ny 19 sy ny 20 Desambra ho avy izao
. Natao indrindra handinihina ny fiainana anatin’ny antoko izy io, hanitsiana ny tsy mety sy hijerena ny lesoka, raha araka ny fanazavan’ny filoha nasionaliny Rivo Rakotovao. Ankoatra izay dia fotoana iray handinihan’ny antoko ny fifidianana hatrehiny eto amin’ny firenena ihany koa io, hoy hatrany ny filoha nasionaliny mba hampirindra ny zavatra rehetra. Tsy latsa-danja amin’ireo ny fampitoviam-pijery hotanterahin’ny mpizaika mikasika ny fampihavanam-pirenena sy ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Nankalazaina ny sabotsy lasa teo ny faherin-taonan’ny vondrombavaka HVM. Fotoam-pivavahana nentina nisaorana sy niderana an’Andriamanitra no nanamarihana izany, rafitra iray izay mijoro hitrotro am-bavaka hatrany ny firenena sy ireo mpitondra ankehitriny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.