• Zoma 24 Aprily 2015
Politique.Rasolovoahangy Roseline Emma “Handrotsaka kandida maro ny fikambanana EMMA”

Tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2013 no nandrenesana ny anaran-dRasolovoahangy Roseline Emma. Anisan’ireo kandida nailiky ny CES 2 tamin’izany izy. Nangingina tsy dia re firy loatra taorian’izay. “

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 24 Aprily 2015
Politique.Praiminisitra Ravelonarivo Jean “Efa ampy ahy ny fananako, ka tsy hanao kolikoly izany aho”

Nitsidika ny tanànan’i Toamasina omaly ny praiminisitra Ravelonarivo Jean, niaraka tamin’ny minisitry ny vola sy ny tetibola ary ny minisitry ny indostria izay efa tao Toamasina nandamina ny raharaha Ambatovy

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 24 Aprily 2015
Politique.Fifampitorian’ireo mpanongam-panjakana 2009 Hivoaka ho azy ny marina, hoy Rarison Hilarion

Tsy takona hafenina hatramin’izay ny tsy fifankahazoan-kevitra misy eo amin’ireo mpanongam-panjakana tamin’ny taona 2009. Efa nanomboka tamin’i Andry Rajoelina sy i Monja Roindefo izany ary miseho amin’ny fifampitoriana mihitsy ankehitriny.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 24 Aprily 2015
Politique.Dr Jean Louis Robinson Lasa any Alaotra

Nanainga omaly namonjy ny faritra Alaotra Mangoro omaly i Dr Jean Louis Robinson, filohan’ny antoko Avana. Ankoatra ny fikarakarana ny taratasy filatsahany hofidiana ho ben’ny tanàna any Ampasikely, distrikan’Amparafaravola dia midina hijery ireo toerana misy ny kandidan’ny Avana ao anatin’ny faritr’i Alaotra

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 24 Aprily 2015
Politique.Jeneraly Noel Rakotonandrasana Hotsaraina amin’ny 5 mey

Hiakatra fitsarana (Cour Criminelle Ordinaire) etsy Anosy ny jeneraly Noel Rakotonandrasana, minisitry ny fiarovam-pirenena nandritra ny fitondrana tetezamita, ny 5 mey ho avy izao. Izany hoe andro vitsy aorian’ny fiafaran’ny dinika nasionaly momba ny fampihavanam-pirenena tarihan’ny FFKM.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 24 Aprily 2015
Politique.Kaominina Antsirabe renivohitra Kandidà ben’ny tanàna 7 no efa fantatra hatramin’izao

Hatramin’ny anio dia tsy mbola nisy sahy nametraka ny antontan-taratasy ho filatsahana hofidiana izay ho Ben’ny tanànan’ny Kaominina Antsirabe renivohitra mihitsy ao amin’ny OVEC

Hamaky ny tohiny
FTT