• Alatsinainy 27 Aprily 2015
Politique.Fampihavanam-pirenena Tsy tokony hijanona fotsiny amin’ny resaka politika, hoy ny Zanta

Tsy tokony hijanona fotsiny amin’ny resaka politika ny fampihavanam-pirenena ho an’ny fikambanan’ny zanta na ny zanaka Antanala. Misy fijery misokatra izy io, hoy ny solombavambahoaka Razafitsiandraofa Jean Brunelle toy ny resaka tantara, ny kolontsaina ary indrindra fa ny toekarena.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2015
Politique.Marc Ravalomanana Tsy misalasala mifangaro amin’ny vahoaka

Hafa mihitsy i Dada ! Sariaka lalandava ary tsy misalasala mifandray mivantana amin’ny vahoaka. Izany no resaky ny olona teny amin’ny lalam-pirenena faharoa sy tany Toamasina omaly alahady. Anton’io resaka io ny nidiran’ny filoha Ravalomanana tamina hotely gasy tao Antsampanana ka nihinanany sakafo antoandro

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2015
Politique.TIM MAHAJANGA Fantatra ireo kandida amin’ny fifidianana ben’ny tanàna

Ny sabotsy teo no nametrahana tamin‘ny fomba ofisialy ny kandida izay ho ben’ny tanàna ao Mahajanga Ramandratosoa Jean Yves José sy ireo kandida sasany avy amin’ny faritra Boeny sy ny manodidina izay tao amin’ny Magro Fitiavana no nanatanterahana azy.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2015
Politique.Tolagnaro Misy misandoka ny anaran'ny TIM

Mbola mitohy ny fanakorontanan'ireo vondrombondron'olona ny antoko Tiako I Madagasikara any amin'iny distrikan'i Tolagnaro. Na dia tsy nahazo mandat ara-dalàna avy tamin'ny birao foibe aza ireo mitonona ho Tim ireo, mbola mikiribiby ihany mitady fomba hilazana fa ara-dalàna.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 24 Aprily 2015
Politique.Fifidianana kaominaly Hosakanana ny firotsahan’i Neny

Mihazakazaka ny toe-draharaha taorian’ny fanambarana niezinezina nataon’ny filoha teo aloha sady filoha mpanorina ny antoko Tiako I Madagasikara, Marc Ravalomanana tao amin’ny Carlton tamin’ny 9 aprily 2015, fa vonona hiatrika ny fifidianana Ben’ny tanàna izy ireo, ary handrotsaka an’i Neny eto Antananarivo Renivohitra.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 24 Aprily 2015
Politique.Marc Ravalomanana Hosamborina dia hogadraina indray ?

Miala any indray ny antsojay atao amin’i Marc Ravalomanana. Tsikaritra fa niha mafy tato ho ato ny fanakanana indray ity filoha teo aloha ity amin’izay zavatra kasainy atao. Moa ve tena noho ny antony mahakasika ny fiarovana ny ainy no mahatonga ilay fanakantsakanana sa misy ambadika politika ?

Hamaky ny tohiny
FTT