• Alakamisy 23 Aprily 2015
Politique.Kaominina ambanivohitra Mahitsy Efa mendrika ny ho distrika kely, hoy Atoa Rakotovao Andriambololona

Tapa-kevitra ny mbola hanohy ireo asa maro vita tao amin’ny kaominina ambanivohitra Mahitsy Atoa Rakotovao Andriambololona ben’ny tanàna am-perinasa ao amin’ity toerana ity.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 23 Aprily 2015
Politique.MAPAR – HCC Mifampitsapa fahaizana lalàna

Tantara mitohy ! Tsy noraisin’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC) ny fitoriana fanonganana ireo solombavam-bahoaka miisa fito dia i Maroriky (Befotaka-Sud), Raherisoa Vololona Victorine (Antananarivo VI), Randrianasolo Volatiana Pauline (Vondrozo), Hanitriniaina Mamy Armand (Miandrivazo), Farhad Houssen (Maintirano),

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 23 Aprily 2015
Politique.Ravalomanana Marc Nihaona tamina ambasadaoro indray

Nandray masoivoho vahiny teny amin’ny trano fonenany tetsy Faravohitra indray omaly ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc, tokony ho tamin’ny 10 ora maraina. Tsy nisy moa ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety saingy voamarina fa nisy tokoa ny fihaonan’io masoivoho vahiny avy amina firenen-dehibe iray io tamin’Atoa Ravalomanana. Araka ny

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 23 Aprily 2015
Politique.CENI-T Mbola i Atallah Béatrice no filoha ?

Raha ny tranonkala ofisialin’ny CENI-T (http://www.ceni-madagascar.mg/) no tsidihina dia mbola i Atallah Béatrice Jeanine no filohan’ity vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana ity

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 23 Aprily 2015
Politique.Fanakantsakanana an-dRavalomanana Fampihavanam-pirenena fihatsarambelatsihy

Matoam-baovao eto amintsika ankehitriny ny fampihavanam-pirenena tarihin’ny FFKM izay natomboka tamin’ireo filoham-panjakana 5 mirahalahy. Mandringa ihany anefa ny fizotrany satria tsy voahaja ny zon’olombelona eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 23 Aprily 2015
KMF.CNOE Tsy tokony hihemotra intsony ny datim-pifidianana

Tompon’andraikitra voalohany amin’ny fikarakarana ny fifidianana eto Madagasikara hatreto ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita. Samy manana adidy amin’ny fanatontosana izany an-tsakany sy an-davany kosa anefa na ny fanjakana na ny firaisa-monim-pirenena na ireo antoko politika marobe, indrindra fa ny olom-pirenena Malagasy.

Hamaky ny tohiny
FTT