Tsy takona hafenina hatramin’izay ny tsy fifankahazoan-kevitra misy eo amin’ireo mpanongam-panjakana tamin’ny taona 2009. Efa nanomboka tamin’i Andry Rajoelina sy i Monja Roindefo izany ary miseho amin’ny fifampitoriana mihitsy ankehitriny.
Ny farany teo izay mety ho singam-bolo handavo ny vositra ny fitoriana nataon’ny kolonely Charles Andrianasoavina an-dRtoa Christine Razanamahasoa. Sahiko ny milaza, hoy ity CT teo aloha avy any Fianarantsoa ity, fa hivoaka ho azy ny marina rehetra na ireny mikasika ny raharaha 26 janoary ireny na ny raharaha 7 febroary 2009. Izahay dia tsy mitsahatra miantso, hoy izy, ny amin’ny tokony hamahana ny fatoran’i Dada dia hilamina isika ary ho avy ho azy ny tena fampandrosoana. Aleo mihitsy hivoaka izay marina izay fa tsy nisy nadio izany teto na koa anjely latsaka an-tany. Koa raha te hiroso amin’ny fampandrosoana tena marina isika dia tokony hampitoviana daholo ny zo sy ny sarangan’ny rehetra, hoy ihany Rarison Hilarion.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.