Hatramin’ny anio dia tsy mbola nisy sahy nametraka ny antontan-taratasy ho filatsahana hofidiana izay ho Ben’ny tanŕnan’ny Kaominina Antsirabe renivohitra mihitsy ao amin’ny OVEC
Antsirabe I, na dia efa niisa 18 aza ny olona na fikambanana nandalo naka ny andinindininy momba ity fifidianana ity. Nambaran’ny tompon’andraikitra fa tsy niteny ny momba ny antoko na ny fikambanana misy azy ireo olona naka hevitra ireo. Ny HVM no efa nanambara fa hanolotra olona ka efa fantatra io kandidàn’ny fitondrana io taorian’ny niantsoana azy tany Antananarivo ka nambaran’ny Delegen’ny HVM Antsirabe I fa efa raikitra. Ny TIM ihany koa dia re fa ny talata lasa teo no nitsofandrano ny olona hitondra ny fanevany rehefa avy nihaona tamin’ny filoha Ravalomanana tany Faravohitra. Etsy an-daniny, efa sesilany ny fivoriana sy fihetsiketsehana etsy sy eroa hampahafantaran’ny fikambanana izay olona hatolony, na dia tsy mbola misy fampielezan-kevitra aza aloha hatreto. Anisan’ny efa nanao izany moa ny lehiben’ny faritra teo aloha amin’ny fanolorana seho hitadiavam-bola hanampiana ny Fokontany ka maka mpanakanto mihitsy. Eo ihany koa ny famahanana olona etsy sy eroa ataon’ireo kandidà sasany. Raha ny tombana dia kandidà 7 no efa tena fantatra hatramin’izao na dia tsy mbola nametraka ny taratasy ho firotsahany aza aloha izy ireo hatreto.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.