Politique

Praiminisitra Ravelonarivo Jean “Efa ampy ahy ny fananako, ka tsy hanao kolikoly izany aho”


  • Zoma 24 Aprily 2015

Nitsidika ny tanŕnan’i Toamasina omaly ny praiminisitra Ravelonarivo Jean, niaraka tamin’ny minisitry ny vola sy ny tetibola ary ny minisitry ny indostria izay efa tao Toamasina nandamina ny raharaha Ambatovy

 
. Fitsidihana ny seranan-tsambo mikasika ny ho fanitarana hatao aminy manomboka ny taona ho avy hiarahana amin’ny JICA, ny efitrano fitsaboana narenin’ny ekipan’ny Mercy Ships tao amin’ny hopitaly be, ny fitsaboana ataon’ny mpitsabo ny Mercy Ships tao amin’ny seranan-tsambo, ary ny fihaonana tamin’ny mpiasam-panjakana tao amin’ny seranan-tsambo sy tao amin’ny lapan’ny faritra atsinanana, no nataony ny maraina alohan’ny nialany tao Toamasina tamin’ny 01ora sy sasany. “Efa ampy ahy ny fananako, ka tsy izaho mihitsy no hanao kolikoly sy hiditra amin’ny fanararaotam-pahefana izany”, hoy ny Jeneraly Ravelonarivo nanoloana ireo mpiasam-panjakana. Nomarihany mantsy fa iraka handamina ny “fahalovana” misy eto amin’ny firenena no ampanaovina azy amin’izao maha praiminisitra azy izao. Milaza ihany koa ny praiminisitra fa tsy handefitra amin’ny fanararaotam-pahefan’ny mpiasam-panjakana amin’ny fanatontosany ny asany. An-kilan’izay, dia efa vonona ny volavolan-dalàna mikasika ny ady atao amin’ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena sy ny halatra taolam-paty, hoy izy. Hisy ny fitsarana manokana hisahana izany izay hiasa hanomboka ny volana jona izao aorian’ny fampidirana ny lalàna eny amin’ny antenimieram-pirenena ny volana mey, hisy koa ny fananganana fonja manokana hisahana ny fihazonana ireo voaheloka, izay hiarahana miasa amin’ny banky iraisam-pirenena, hoy ny praiminisitra. Ankoatra izay, dia voakiana manokana ny mpiasan’ny fadintseranana izay heverin’ny praiminisitra fa tena ahitana ny kolikoly be indrindra, ka mahatonga ny tsy fidiram-bolam-panjakana. Manomboka izao, hamafisina ny fanaraha-maso ny mpiasan’ny ladoany sy ny fanaovan’ireo mpanafatra entana mampiasa faktiora “hosoka” ary ny fanambaran’entana “diso”.

 

Rakoutou

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT