Politique

Rasolovoahangy Roseline Emma “Handrotsaka kandida maro ny fikambanana EMMA”


  • Zoma 24 Aprily 2015

Tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2013 no nandrenesana ny anaran-dRasolovoahangy Roseline Emma. Anisan’ireo kandida nailiky ny CES 2 tamin’izany izy. Nangingina tsy dia re firy loatra taorian’izay. “

Tsy nisintaka ny tenako fa manohy ny ezaka amin'ny fampandrosoana ny firenena”, hoy ity filohan’ny fikambanana EMMA (Ezaka Marina Mampandroso Antsika) ity raha tafaresaka fohy tamin’ny Tia Tanindrazana. Ny fampitam-baovao navoakany amin’ny tambajotran-tserasera facebook tamin’ny volana febroary lasa iny no nilazany fa «efa niresaka tamin'ny filohan’i Etazonia Barack Obama sy ny mpikambana amin’ny kabinetrany izaho mikasika an'i Madagasikara. Maro dia maro ny fiaraha-miasa azo atao mba hampakarana ny toekaren'i Madagasikara sy hanampiana ny vahoaka Malagasy». Toy izany koa i Bill Clinton, filoha amerikanina teo aloha. «Mazoto hanampy an'i Madagasikasa izy. mpifanolobodirindrina tamiko ny zanany vavy Chelsea Clinton tamin'izahay nianatra tao Stanford University. I Chelsea rahateo izao no mpitantana ny “Clinton Foundation””. Mikasika ny fifidianana ho avy dia nilaza Rasolovoahangy Roseline Emma fa “handrotsaka kandida Ben’ny tanàna maro eran'i Madagasikara ny fikambanana EMMA» tarihiny.

Jean D.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT