Nanainga omaly namonjy ny faritra Alaotra Mangoro omaly i Dr Jean Louis Robinson, filohan’ny antoko Avana. Ankoatra ny fikarakarana ny taratasy filatsahany hofidiana ho ben’ny tanàna any Ampasikely, distrikan’Amparafaravola dia midina hijery ireo toerana misy ny kandidan’ny Avana ao anatin’ny faritr’i Alaotra
Mangoro ihany koa ity filohan’ny antoko Avana ity. Ny Faritra Alaotra Mangoro izay toerana niavian’i Dokotera Jean Louis Robinson ary tena ananany kandida maro tokoa amin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina. Ambaran’i Dokotera moa fa tsy tokony hiavonavoana andraikitra raha toa ka mpanao politika vonona ny hampandroso tanindrazana marina ka izany no nahatonga azy hilatsaka hofidiana ho ben’ny tanàna rehefa avy nahazo ny laharana faharoa tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.