• Alarobia 25 Mey 2016
Politique.Tanin’ny Magro Ankorondrano Vonona hifampiresaka ny TIKO

«Efa mandeha ny tolotra fampanofana na fampivarotana ny tany misy ny Magro eny Ankorondrano. Tsy azo ekena anefa ny tsy fanarahan-dalàna efa mampalaza loatra an’i Madagasikara, hoy ny filoha mpanorina ny Tiko Group Ravalomanana Marc. Nidina teny an-toerana nanazava ny zava-misy hatramin’ny taona 2009 nisian’ny fanonganam-panjakana ny tenany.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 25 Mey 2016
Politique.Lylison sy Ravatomanga Hosamborina fa manakorontana ?

Herinandro lasa izay dia efa nanamafy ny fitandroana ny fandriampahalemana teto an-drenivohitra ny mpitandro ny filaminana ary efa namoaka resaka fa ahiana ny hisiana korontana amin’ny 23 mey. Ny harivan’io alatsinainy 23 mey io tokoa no nanao fanambarana ny loholona Lylison ary miantso ny hanaovana tanàna maty ny renivohitra sy nanainga ny olona hamerina ny andrimasom-pokonolona, dia efa niaraha-nahita ny zava-nitranga omaly moa.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 24 Mey 2016
Politique.Jirama Ho avy koa ny fitokonana

Nanatitra taratasy teny amin’ny mpitantana teny Ambohijatovo omaly ny sendikan’ny mpiasan’ny Jirama ary nanome fe-potoana 72 ora hamaliana ny fitakian’izy ireo izay misy teboka 10.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 24 Mey 2016
Politique.Savorovoro tsinam-bolana

Mihazakazaka ny toe-draharaham-pirenena. Hetsika sendikaly, fitakiana maro samihafa, raharaha Tiko, izao lasa misy fikasana hanao tanàna maty izay miendrka fiantsoana ny olona hikomy amin’ny fanjakana.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 24 Mey 2016
Politique.Mpiasan’ny Air Madagascar Mitaky « face à face » amin’ireo mpitantana

Mangataka fifanatrehana mivantana amin’ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny kaompania fitaterana Air Madagascar ireo mpiasa izay manohitra ny ambaran’izy ireo fa fisintahan’ny fanjakana amin’ity kaompania ity sy ny famarotana ny fananam-pirenena ary ny famadihana tanindrazana.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 24 Mey 2016
Politique.Fanafainganana ny fifidianana Paikady handrobana an’i Madagasikara, hoy i James Ratsimba

Malaza be ary mivoy mafy eran’ny fokontany kely rehetra ankehitriny ny mpitondra fanjakana, ny mpanao politika sasany, ny amin’ny hanafainganana ny resaka fifidianana eto amintsika. Misy ireo milaza fa tokony halefa aloha izy io.

Hamaky ny tohiny
FTT