Mangataka fifanatrehana mivantana amin’ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny kaompania fitaterana Air Madagascar ireo mpiasa izay manohitra ny ambaran’izy ireo fa fisintahan’ny fanjakana amin’ity kaompania ity sy ny famarotana ny fananam-pirenena ary ny famadihana tanindrazana.
Fanirian’izy ireo ihany koa ny hanaovana ny fifanatrehana eo imason’ny mpanao gazety ka hiadiana hevitra marina momba an’ity antsoin’ny fanjakana hoe « Partenariat stratégique » . Amin’ireto mpiasa ireto mantsy dia fivarotana ny Air Mad no tena tiana atao fa mody sarintsaromana anarana teknika samy hafa ary ampiasana voambolana isan-karazany. Ny minisitry ny fitaterana dia niezaka nanazava fa ho fanomezana hery ny drafi-panarenana ny orinasa Air Madagascar no hitadiavana mpiara-miombin’antoka fa tsy fivarotana fananam-pirenena velively saingy toa tsy maharesy lahatra ny maro izany fanambarany izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.