Politique

Lylison sy Ravatomanga Hosamborina fa manakorontana ?


  • Alarobia 25 Mey 2016

Herinandro lasa izay dia efa nanamafy ny fitandroana ny fandriampahalemana teto an-drenivohitra ny mpitandro ny filaminana ary efa namoaka resaka fa ahiana ny hisiana korontana amin’ny 23 mey. Ny harivan’io alatsinainy 23 mey io tokoa no nanao fanambarana ny loholona Lylison ary miantso ny hanaovana tanàna maty ny renivohitra sy nanainga ny olona hamerina ny andrimasom-pokonolona, dia efa niaraha-nahita ny zava-nitranga omaly moa.

 


 

Fanakorontanana

Omaly hariva ihany dia nisy ny resaka nandeha fa hisy ny fisamborana, ka tafiditra ao anatin’izany ny kolonely Lylison de René izay nanao ilay fanambarana. Voatonona ihany koa ilay mpandraharaha mpanefoefo Mamy Ravatomanga, filoha tale jeneralin’ny Groupe SODIAT. Ity farany izay matetika no voatonontonona ho tao ambadiky ny asa fanakorontanana sy fampisavorovoroana saim-bahoaka nandritra izao repoblika faha-4 izao. Efa niharan’ny fandrarana tsy hahazo hivoaka ny sisintanin’i Madagasikara ihany koa izy. Voaresaka matetika ao anatina raharaha boaderozy koa i Mamy Ravatomanga. Vao haingana anefa no nivoaka tamin’ny fahanginany izy ka nilaza fa tsy misy idirany mihitsy ny resaka maha voatonona azy ireo ary izy aza dia nangataka ny hanaovana ampamoaka, mba ho hita ny tena marina. Tsy nisy nety nanamarina na nandiso ny fisiana didy fampisamborana na mandat d’arrêt ho azy mirahalahy ireto izay manampahefana nanontaniana halina, manjavozavo be ihany ny resaka. Tsy moramora anefa ny hisambotra loholona izay manana zo mitovy amin’ny solombavambahoaka ary arovan’ny lalàmpanorenana araka ny voalazan’ny andininy faha-73 manao hoe : “…Tsy misy Solombavambahoaka na dia iray aza azo enjehina sy samborina noho ny heloka bevava na heloka tsotra mandritra ny fotoam-pivoriana raha tsy nahazoan-dalana tamin’ny Antenimiera, raha tsy hoe tratra ambodiomby….Tsy misy solombavambahoaka na dia iray aza azo samborina ivelan’ny fotoam-pivoriana, raha

tsy nahazoana alalana tamin’ny Biraon’ny Antenimiera, raha tsy hoe tratra ambodiomby, noho ny fanenjehana nahazo alalana na ny fanamelohana tanteraka”. Mihatra ho an’ny loholona ihany koa izy io. An-kilan’izay anefa, araka ny fanazavan’ny manamboninahitra jeneraly iray, izay tsy nitonona anarana dia efa tena miendrika antso amin’ny fikomiana sy fanonganam-panjakana no nataon’ny senatera Lylison. Ka raha misavorovoro noho izay ny tanàna na faritra iray na ny firenena dia azo atao ny misambotra sy manadihady azy noho ny tombontsoa ambonin’ny firenena. Misy koa anefa, araka ny fantatra mpanao politika hafa, arahan’ny fanjakana maso akaiky satria ahiana ho mikononkonona fanakorontanana sy fanonganam-panjakana. Ho hita eo ihany ny tohiny.

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT