Politique

Tanin’ny Magro Ankorondrano Vonona hifampiresaka ny TIKO


  • Alarobia 25 Mey 2016

«Efa mandeha ny tolotra fampanofana na fampivarotana ny tany misy ny Magro eny Ankorondrano. Tsy azo ekena anefa ny tsy fanarahan-dalŕna efa mampalaza loatra an’i Madagasikara, hoy ny filoha mpanorina ny Tiko Group Ravalomanana Marc. Nidina teny an-toerana nanazava ny zava-misy hatramin’ny taona 2009 nisian’ny fanonganam-panjakana ny tenany.

 


Fanapahan-kevitra mifanohitra          

Tsy misy ny fitohizan-draharaham-panjakana eto Madagasikara. Manamarina izany ireo fanapahan-kevitra roa mifanohitra noraisin’ny minisitry ny Varotra teo aloha Rabesahala Henri sy ny minisitra ankehitriny Tazafy Armand mikasika ny Magro eny Ankorondrano. Tsy tontosa ny fandoavan’ny orinasa Tiko ny hofan’ny tany tamin’ny Antenimieran’ny Indostria sy ny Varotra Antananarivo ny volana novambra 2009 satria efa nampidirina teny amin’ny fitsarana ny raharaha, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. Nivoaka avy eo ny didim-pitsarana avy amin’ny tribonaly ny 10 martsa 2010 izay natao hampijanonana ny hetsiky ny mpanohana ny ara-dalàna tao amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Ankorondrano. Ity didim-pitsarana ity ihany anefa ankehitriny no nentin’ny minisitry ny Varotra vaovao amin’ny alalan’ny CCIA manala ny orinasa Magro. Tsy mitombina intsony izy io noho ny antony maro, hoy ny filoha teo aloha. Voalohany, manana tompo telo samihafa ireo tany ao anatin’ny tamboho. Faharoa, efa lasa lalàna velona eto amin’ny firenena Malagasy ny tondrozotra mibaiko ny famerenana ny fananan’ny orinasa Tiko aminy. Fahatelo farany, ilaina ny fifampidinihana haingana eo amin’ny CCIA sy ny Tiko Group fanoitra fototra ho amin’ny fanarenana ny toekarena, araka ny taratasy nosoniavin’ny minisitry ny Varotra teo aloha tamin’ny 16 febroary 2016.

Famoronana asa

Vonona ny handoa ny trosany ao anatin’ny fifampidinihana ny Tiko Group, hoy ny filoha mpanorina. Azo atao tsara ihany koa ny mijery miaraka ny fanavaozana ilay fifanarahana fanofan-tany, ary vonona hiresaka amin’ny praiminisitra eny fa na dia amin’ny filoham-pirenena ihany koa aza mba handaminana ity raharaha ity Atoa Marc Ravalomanana, araka ny teniny omaly. «Tsy mety anefa ny mamitaka sy mandiso fanantenana ny mpiray tanindrazana», hoy ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc. Miandrandra asa ny vahoaka ary hanome asa ho azy ireo ny «Malagasy Grossiste» rehetra manerana an’i Madagasikara, araka ny fanampim-panazavany. Tanjona ankehitriny ny famoronana asa ho an’ny Malagasy ka laharam-pahamehan’ny vondrona orinasa Tiko ny fanatanterahana izany hatramin’ny farany. Fifampitokisana avy amin’ireo mpandraharaha avy any ivelany no nampisokatra indray ny Magro Behoririka, araka ny fanamarihan’i Dada. Tokony ho vita ao anatin’ny iray volana ihany koa ny fanarenana ny Magro eny Ankorondrano noho ny fampitaovana avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka vaovao mpiara-miasa eo anivon’ny Tiko International.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT