Malaza be ary mivoy mafy eran’ny fokontany kely rehetra ankehitriny ny mpitondra fanjakana, ny mpanao politika sasany, ny amin’ny hanafainganana ny resaka fifidianana eto amintsika. Misy ireo milaza fa tokony halefa aloha izy io.
Misy koa ny miteny fa miandry amin’ny taona 2018, izay nambaran’ny profesora James Ratsimba filohan’ny fikambanana “Asandratro ny fireneko” fa samy manery ny hanatanterahana ny fifidianana. Aminy, ireo fifidianana rehetra natao teto amin’ny firenena dia sandoka sy famitaham-bahoaka. Raha hanao fifidianana dia mila miainga eny amin’ny fokontany ka ny sefom-pokontany no fidiana ary atao loabary an-dasy ny ambiny rehetra, miainga amin’ny vondrom-pokonolona sy ny fokontany. Ny ankoatra izay dia famitaham-bahoaka ny vahoaka. Porofon’izany ny tsy fahazoana mametraka fitarainana, fanoloana ny CES …izay midika ho fanakorontanana ny vahoaka malagasy. Ny fomba fangalaram-bato dia manginy fotsiny ankoatra ny fividianana olona amin’ny alalan’ny fotsimbary, ny kasikety, ny tee-shirt ... Ireo mpangalatra teo amin’ny firenena ihany anefa no mahavita an’izany fa ny vahoaka madinika mihanahana eo. Tonga hatrany amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ilay izy, izay efa voavidin’ny fitondram-panjakana vola daholo. Miantso ny vahoaka Malagasy handa ny fifidianana kasain’ireo iraky ny mpanjanaka hatao eto amintsika ity filohan’ny “Asandratro ny fireneko” ity. Toraka izany koa ny frankofonia izay entina hampahantrana ny vahoaka fotsiny miaraka amin’ny fandavana ireo mpitsoa-ponenana be dia be efa tonga eto amintsika sy ireo olon’ny frantsay toy ny lehiben’ny Francs maçons, ny Rotary.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.