Nanatitra taratasy teny amin’ny mpitantana teny Ambohijatovo omaly ny sendikan’ny mpiasan’ny Jirama ary nanome fe-potoana 72 ora hamaliana ny fitakian’izy ireo izay misy teboka 10.
Anisan’ny goavana ao anatin’izany ny fandavana marin-drano ny fanomezana ny sehatra tsy miankina ny Jirama, ny fitakiana ny fanafoanana ny fifanarahana amin’ny Symbion power ary ny famerenana amin’ny asany ireo mpiasa voaroaka noho ny hetsika sendikaly. Nilaza ho tsy misomonga ireto mpiasan’ny Jirama ireto ary nilaza fa vonona hiroso amin’ny dingana manaraka henjankenjana kokoa raha manao be marenina ny mpitantana sy ny fanjakana. An-kilan’izay koa anefa dia re fa tsy hilefitra amin’ireo teboka 10 ireo ny fitondram-panjakana sy ny mpitantana ao amin’ny Jirama. Azo antoka fa ho avy indray ny fitokonana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.