Politique

Savorovoro tsinam-bolana


  • Talata 24 Mey 2016

Mihazakazaka ny toe-draharaham-pirenena. Hetsika sendikaly, fitakiana maro samihafa, raharaha Tiko, izao lasa misy fikasana hanao tanàna maty izay miendrka fiantsoana ny olona hikomy amin’ny fanjakana.

Nisy ihany koa vondron’antoko manindry mafy ny tokony hanatanterahana fifidianana filoham-pirenena mialoha ny fotoana. Tena misafotofoto ny raharaham-pirenena, fanina ny olon-tsotra satria tsy fantatra intsony izay tena zava-misy marina. Ireo mpandinika dia nahatsikaritra fa tao anatin’ny tsinam-bolana no nitrangan’ireo zava-drehetra ireo. Asa na fifandrifian-javatra ihany na ahoana fa manana ny dikany manokana amin’ny Malagasy mantsy io tsinam-bolana io. Samy manana ny eritreriny sy ny finoany moa ny tsirairay avy fa ny azo antoka fotsiny aloha dia misy mikononkonona zavatra eto. Izay angamba no nahatonga ny hetsika manokana nataon’ny mpitandro ny filaminana teto an-drenivohitra tamin’ny herinandro lasa iny ka nivoahan’ny resaka fa atahorana hisy korontana ny alatsinainy 23 mey, izany hoe omaly. Asa indray izay mety havoaky ny ampitso sy ny ho tohin’ity raharaham-pirenena ity.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT