• Alakamisy 04 Janoary 2018
Politique.Kaominina Antananarivo Renivohitra Hamoaka gazety sy hanokatra fahilavitra

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly alarobia 03 Janoary 2018 tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny Fivoriana aram-potoana voalohan’ny Filankevitra Monisipalin’ny Tananan’Antananarivo Renivohitra, izay natrehan’ny Ben’ny Tanana Lalao Ravalomanana. Fantatra tamin’izany fa manodidina ny 50 miliara Ariary latsaka kely ny vinavinan’ny Tetibola ampiasain’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ity taona 2018 ity.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 04 Janoary 2018
Politique.Karama tapaka, fitantanana tsy mahomby Hihetsika ireo sendika

Mananontanina indray ny fitakian’ny mpiasam-panjakana amin’ny alalan’ny Randrambaon’ny sendika na ny SSM, indrindra taorian’ny tsirambina nanapahan’ny fanjakana ny karaman’ny mpiasa iray alina latsaka kely.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 04 Janoary 2018
Politique.Kabary eny Iavoloha Hamoaka vahaolana ve sa fandokafan-tena fotsiny ?

Ny resaka tsy fandriampahalemana no tokony homen'ny Filoha lanja amin'ny kabary izao hataony eny amin'ny Lapan'i Iavoloha eny Iavoloha amin'ny zoma 5 janoary 2018 izao ankaotra ny resaka valan'aretina pesta izay nitranga tamina faritra maro, ny ara-tsosialim-bahoaka izay nilatsaka tsy nisy ohatr'izany koa no tena nanamarika iny taona 2017 lasa iny.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 04 Janoary 2018
Politique.Raha tsy te hahita korontana Apetraho ny fifanarahana politika, hoy ny CRAM

Amin’izao fiandohan’ny taona 2018 dia faly miarahaba ny mpiray tanindrazana rehetra izahay, hoy ny mpikambana ao amin’ny Birao nasionalin’ny CRAM (Cercle de Réflexion pour l’Avenir de Madagascar ). Mikasika ny raharaha politika, dia iaraha-mahalala fa hatao amin’ity taona 2018 ity ny fifidianana Filoham-pirenena vaovao, ka mbola manantena izahay fa hisy ny fifanarahana ara-politika satria firenena iaraha-manana i Madagasikara, mba ho tombontsoa ambonin’ny firenena sy hialana amin’ny korontana mety hitranga, hoy ny CRAM.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 03 Janoary 2018
Politique.Mpanara-dia an’i Dadavalo Efa mivonona amin’ny zava-drehetra

Natomboka tamin’ny fanamarinana ny anarana ao anaty lisi-pifidiananana nanomboka ny volana desambra teo ny fiomanan’ireo zanak’i Dada na ny mpomba an’i Marc Ravalomanana amin’ny fiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena. Izay no anton’ny fihaonana sy fizaram-baovao izay efa nosantarina teny amin’ny Magro Behoririka ary aparitaka manerana ny nosy.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 03 Janoary 2018
Politique.Andry Rajoelina Amin’ny 2023 vao mety hahita mangirana

Loharanom-baovao avy amin’olona tsara sitra-po niatrika fivorian’ny fikambanana sy vovonana miankina amin’ny fiangonan-dehibe iray eto Madagasikara, tany amin’iny faritra Fianarantsoa iny no nahalalana, fa raha nafenimpenina hatramin’izay dia vaky ihany ny resaka hoe hanohana an’i Andry Rajoelina izy ireo amin’ny fifidianana hatao amin’ity taona 2018 ity.

Hamaky ny tohiny
FTT