Politique

Andry Rajoelina Amin’ny 2023 vao mety hahita mangirana


  • Alarobia 03 Janoary 2018

Loharanom-baovao avy amin’olona tsara sitra-po niatrika fivorian’ny fikambanana sy vovonana miankina amin’ny fiangonan-dehibe iray eto Madagasikara, tany amin’iny faritra Fianarantsoa iny no nahalalana, fa raha nafenimpenina hatramin’izay dia vaky ihany ny resaka hoe hanohana an’i Andry Rajoelina izy ireo amin’ny fifidianana hatao amin’ity taona 2018 ity.

Nambaran’io mpikambana amina rafitra iray io, fa ny fiangonana manontolo manerana ny Nosy mihitsy no tadiavina hosoloina tena hoe manohana ny Filohan’ny tetezamita teo aloha, kanefa olom-bitsy ao anatin’ny fikambanana no miezaka mivoy sy mikasa hanasa loha ny mpino rehetra manerana an’i Madagasikara amin’izay foto-kevitra ara-politika izay, hoy hatrany io olona namoaka ny tsiambaratelon’ny ampahan-dresaka henony tao anaty fivoriana io. Mety efa nahazo vola avy amin’ny filohan’ny tetezamita teo aloha izy ireo, ka izay no hivoizany sy hihezahany hilalao io foto-kevitra io hipaka amin’ny rehetra, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Azo adika ny zava-misy hoe manomboka mifoha amin’ny torimasony sy mametraka ny paikadiny i Andry Rajoelina na tsy dia andrenesam-peo firy aza. Mananontanina rahateo ny fifidianana satria efa taona 2018 isika izao. Efa naman’ny pi-maso ny firarian-tsoa nataony ny 01 janoary teo, ka hanomboka haneho hevitra sy hiteny amin’ny haino aman-jery amin’izay ve izany Andry Rajoelina ato ho ato? Raha mihevitra ny hirotsaka Filoham-pirenena ihany koa dia tsy maintsy hipetraka eto Madagasikara 6 volana mialohan’ny hanatanterahana ny fifidianana. Isan’ny fahavalo politikan’ny HVM anefa i Andry Rajoelina, ka tsy hay na havelany hahita mangirana amin’izay fifidianana izay na tsia, fa raha ny lojika aloha, dia isan’ireo hosakanana tsy hirotsaka ny tenany. Matahotra mafy ny mety ho valifaty politikany rahateo ny mpitondra ankehitriny amin’ny fotoana mety hahatafaveren-dRajoelina eo amin’ny fitondrana raha hisy izany. Toa miezaka ny misoko miadana ao anatin’ny fisalasalana ihany anefa ity farany na ho any na tsy ho any.

Saro-toerana ny MAPAR

Sarotsarotra ho azy kosa ny handresy ny HVM sy ny TIM satria io iaraha-mahita io ny fahavakisan’ny antokony sy ny mpanohana azy, raha tsy hilaza afatsy ny hoe: MAPAR 1, MAPAR 2, MAPAR 3,… Ny HVM no eo amin’ny fitondrana, ka io iaraha-mahita io ny fampiasana ny fahefam-panjakana sy ny kajy samihafa. Ny TIM kosa dia iaraha-mahalala tsara hoe nitambatra sy tsy nivaky hatramin’izay, ary tombony lehibe ho azy ny nisiany efa 15 taona izao. Tsy takona hafenina ny heriny sy ny tanjany, ka nahatonga ny fanjakana HVM nanao antsojay isan-karazany tamin’ireny fankalazana ny tsingerin-taona ireny. Mety hanana ny tanjany ihany ny MAPAR, saingy eo ho eo ihany, ka maro amin’ny mpandinika no milaza fa tsara kokoa ho an-dRajoelina ny miandry ny 2023 raha mbola te hanana ho avy politika tsaratsara. Tsy mbola voakosoky ny Malagasy rahateo ny ngidin’ny 2009, izay izy no tompon’antoka voalohany.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT