Politique

Mpanara-dia an’i Dadavalo Efa mivonona amin’ny zava-drehetra


  • Alarobia 03 Janoary 2018

Natomboka tamin’ny fanamarinana ny anarana ao anaty lisi-pifidiananana nanomboka ny volana desambra teo ny fiomanan’ireo zanak’i Dada na ny mpomba an’i Marc Ravalomanana amin’ny fiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena. Izay no anton’ny fihaonana sy fizaram-baovao izay efa nosantarina teny amin’ny Magro Behoririka ary aparitaka manerana ny nosy.

Izao ajoro manerana an’i Madagasikara indray ny Komity manohana an’i Marc Ravalomanana (KMMR 2018). Mazava ny toromarika tsy maintsy atambatra ny hery ka miara-miasa ao ny TIM sy ireo olon-tsotra na fikambanana na antoko politika hafa fa kosa mitovy fomba fijery amin’i Marc Ravalomanana amin’ny fanarenana ny firenena.Antananarivo, Mahajanga, Toamasina no fantatra fa efa mihetsiketsika fatratra tato anatin’ny volana vitsivitsy izao amin’ny fametrahana rafitra sy fomba fiasa handrindrana ny zavatra atao.Efa hatramin’ny 1999 no niatrika fifidiananana i Marc Ravalomanana sy ny mpiara-dia aminy, fifidianana filoham-pirenena, depiote, mpanolotsaim-paritra saingy tsy miononona amin’ny zavatra hay fa mbola mampitombo fahalalana sy traikefa.Mandresy no filamatra …resy lahatra izahay  fa ny filoha Ravalomanana no « homme de la situation » na ny olona mahavita azy amin’izao zava-misy iainanan’ny firenena izao , hoy ireo mpomba azy ka izany no mampivondrona anay hitondra ny anjara birikinay hanohanana sy hampandaniana azy.Tena mafy ara-poto-kevitra ny mpiara-dia amin’ny filohan’ny Tiako i Madagasikara manerana ny nosy fa tsy olona taitaitra na voavidim-bola sanatria, olona efa niharan’ny fanenjehana sy ny fanagadrana ny sasany hany ka efa vonona amin’ny zava-drehetra mety hitranga. Mila fahasahiana ny fanavotana ny firenena, tena sahy izahay matoa miaraka amin’i Dada, hoy izy ireo.

RTT


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT