Politique

Raha tsy te hahita korontana Apetraho ny fifanarahana politika, hoy ny CRAM


  • Alakamisy 04 Janoary 2018

Amin’izao fiandohan’ny taona 2018 dia faly miarahaba ny mpiray tanindrazana rehetra izahay, hoy ny mpikambana ao amin’ny Birao nasionalin’ny CRAM (Cercle de Réflexion pour l’Avenir de Madagascar ). Mikasika ny raharaha politika, dia iaraha-mahalala fa hatao amin’ity taona 2018 ity ny fifidianana Filoham-pirenena vaovao, ka mbola manantena izahay fa hisy ny fifanarahana ara-politika satria firenena iaraha-manana i Madagasikara, mba ho tombontsoa ambonin’ny firenena sy hialana amin’ny korontana mety hitranga, hoy ny CRAM.

Mety hatao amin’ny volana mey 2018 ny fitsapa-kevi-bahoaka izay hiteraka fandaniam-bola betsaka azo hitsinjovana ny sosialim-bahoaka manoloana ny fidangan’ny vidim-piainana sy ny tsy fandriampahalemana ary amin’ny volana novambra 2018 ny fifidianana Filoham-pirenena vaovao. Raha mandresy ny TSIA dia mametra-pialana avy hatrany ve ny Filoham-pirenena ? Ravana ihany koa ve ny Antenimiera roa tonta nandany izany fanintsiana ny volavolan-dalampanorenan’ny Repoblika faha efatra izany rehefa notsipahin’ny olom-pirenena maro an’isa ilay izy ? Hiditra amin’ny tetezamita indray ve i Madagasikara ? Ireo no fanontaniana napetraky ny CRAM.  Raha mifanaraka ny mpanao politika Malagasy fa haroso roa volana mialohan’ny fotoana voafaritra ao anatin’ny Lalàmpanorenana ny datin’ny fifidianana Filoham-pirenena dia hatao amin’ny volana septambra 2018 izany. Azo dinihina ao anatin’izany fifanarahana politika izany koa : ireo lalàna hifehy ny fifidianana; ny faneken’ny Antoko politika rehetra fa hatao miaraka ny fifidianana ny Filoham-pirenena sy ny fifidianana ny Lalàmpanorenana hatolotr’ilay kandida,.... Manao antso avo ny CRAM fa tsy vahaolana ho an’ny firenena intsony ny korontana, ary tsy tokony manao ampihimamba ny haino aman-jerim-panjakana ny mpitondra sy ny ekipany fa avela haneho hevitra ao koa ny hafa. Fifanarahana mitondra vahaolana no ilaina izao fa tsy fifandirana hampisy krizy indray, raha ny hevitry ny CRAM.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT