Politique

Karama tapaka, fitantanana tsy mahomby Hihetsika ireo sendika


  • Alakamisy 04 Janoary 2018

Mananontanina indray ny fitakian’ny mpiasam-panjakana amin’ny alalan’ny Randrambaon’ny sendika na ny SSM, indrindra taorian’ny tsirambina nanapahan’ny fanjakana ny karaman’ny mpiasa iray alina latsaka kely.

Tsiahivina fa nanome fe-potoana 48 ora ny fanjakana ny SSM mba hamahana ny olana satria mpiasam-panjakana maro be no tsy nahazo ny karamany noho ny olana teo amin’ny rindram-baiko na ny “logiciel” fikajiana ny karama, kanefa ny andro fety. Nambara ho tafiditra tao anatin’ny fanadiovana ny asam-panjakana noho ny fisian’ny mpiasa matoatoa ihany koa anefa izy iny, saingy niaiky ny hadisoany ny mpitondra ary hamaha haingana ny olana. Tsy araka ny nampanantenaina anefa, fa dia nisy ny mpiasa tsy mba afaka nifety toy ny rehetra noho ny tsy naharaisana ny karama. Mbola betsaka ny tsy tafaverina, ka tsy voahaja ny fampanantenan’ny Minisiteran’ny vola sy ny tetibola hoe: mialohan’ny faran’ny taona no hamerenana ny karaman’ireo mpiasa tapaka, hoy ny Dr Rakotoniasy Jean Raymond avy amin’ny SSM omaly. Tsy fantatra hoe any amin’ny banky sa ahoana? Ireo mandray karama amin’ny alalan’ny kaonty amin’ny banky sy ny avy any amin’ny faritra lavitra no tena tratran’izay. Hisy ny fivoriamben’ny mpiasam-panjakana rehetra, indrindra ireo tapaka karama na efa nahazo ny azy na tsia rahampitso eny amin’ny Le Pavé Antaninarenina manomboka amin’ny 9 ora, ka eo no handraisana fanapahan-kevitra. Na izany na tsy izany dia efa nanipy teny ny Dr Rakotoniasy Jean Raymond, fa tsy maintsy hisy ny fitakiana satria ny fitantanan-draharaham-panjakana mihitsy no tsy mety eto.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT