Politique

Kaominina Antananarivo Renivohitra Hamoaka gazety sy hanokatra fahilavitra


  • Alakamisy 04 Janoary 2018

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly alarobia 03 Janoary 2018 tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny Fivoriana aram-potoana voalohan’ny Filankevitra Monisipalin’ny Tananan’Antananarivo Renivohitra, izay natrehan’ny Ben’ny Tanana Lalao Ravalomanana. Fantatra tamin’izany fa manodidina ny 50 miliara Ariary latsaka kely ny vinavinan’ny Tetibola ampiasain’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ity taona 2018 ity.

Nisy fitomboana 30% izany raha mitaha ny tamin’ny taon-dasa. Hohamafisina sy hampitoboina noho izany ny fitadiavana lalam-bola sy ny fiaraha-miombon’antoka. Mizara 4 lehibe ny asa heverina hotanterahana araka ny nambaran’ny Ben’ny Tanana Lalao Ravalomanana dia ny fandaminana sy fandrindran’asa; fampandrosoana sy fotodrafitrasa, izay hanaovana ezaka manokana satria handaniana vola 10 miliara ariary; ny sosialy sy kolontsaina ka tafiditra amin’izany ny ezaka hamoahan’ny Kaominin’ Antananarivo Renivohitra Gazety amin’ity taona 2018 ity sy ny hiadiana mba hananana Radio sy Televizionina hitaizana sy hanabeazana ny vahoaka araka ny nambaran’ny Ben’ny Tanana Lalao Ravalomanana ihany na teo aza ny sakantsakana niainana tamin’ny taon-dasa; ny Fitsinjarana ny fahefana ho an’ny Delegen’ny Boriboritany 6. Nambaran’ny Lefitra faharoan’ny Ben’ny Tanana Andriamorasata Julien, fa ny mampiavaka ity Tetibola 2018 ity raha noharina tamin’ny teo aloha dia : Narafitra aloha ny tetik’asa izay vao hojerena ny hoenti-manana, izany hoe Tetibola vaovao, tetik’asa vaovao. Rehefa lany ny Tetibola, hoy izy dia hisy ny antsoina hoe : « Plan de Travail Annuel » na PTA. Ny Filohan’ny Filankevitry ny Tananan’Antananarivo Faustin Andriambahoaka kosa no nilaza fa mandritra ny 10 andro ny faharetan’ity Fivoriana ity, ka anisan’ny lahadinika ny momba ny tanin’ny Kaominina, fifanarahana momba ny Tsipy Kanetibe, ny fangalana hetra amin’ny alalan’ny « Mobile Money », ny resaka Fasam-bahiny eny Anjanahary, ny Drafim-pandaminana ny Tanan-dehibe amin’ny antsipirihany « Plan d’Urbanisme de détail ». Nohamafisin’ny Ben’ny Tanana Lalao Ravalomanana nandritra ny hafatra izay nomeny fa tsy afaka misaraka ny ara-nofo sy ny aram-panahy. Zavadehibe ihany koa, hoy izy, ny Malagasy miray hina, manana fitiavana sy finoana, miova toetsaina, miova fo, mahay mifanaja sy mifampiresaka satria izany no miteraka Fanantenana sy Fampandrosoana. Nandritra io ftoana io no niarahaba ny Ben’ny Tanana noho ny fahatratrarana ny taona vaovao ny mpivory nandritra ity fotoana ity, izay nanolorana solom-bodiakoho ho azy niaraka tamin’ny teny firariantsoa.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT