Politique

Kabary eny Iavoloha Hamoaka vahaolana ve sa fandokafan-tena fotsiny ?


  • Alakamisy 04 Janoary 2018

Ny resaka tsy fandriampahalemana no tokony homen'ny Filoha lanja amin'ny kabary izao hataony eny amin'ny Lapan'i Iavoloha eny Iavoloha amin'ny zoma 5 janoary 2018 izao ankaotra ny resaka valan'aretina pesta izay nitranga tamina faritra maro, ny ara-tsosialim-bahoaka izay nilatsaka tsy nisy ohatr'izany koa no tena nanamarika iny taona 2017 lasa iny.

Toy ny isan-taona dia hanana ny teny ho lazainy sy ny fahitany an'izay zava-nitranga izay ny Filoham-pirenena mandritra ny fanasany ireo tompon'andraikitra isan-tokony (vahiny sy Malagasy) eny Iavoloha ny zoma io. Iray amin'ireo trangana tsy fandiampahalemana, indrindra raha tany amin'ny Faritra Atsinanana ny "kidnapping", ny fifanolanana nisy teo amin'ny tonian’ny fampanoavana sy ny zandarimariam-pirenena, ny resaka adin-tany maro be, ny mpangalatra lavanila izay votsotra na dia efa nahitana porofo aza, ny mpanakana fiara, fahatratrarana basy maro tany an-toerana. Ireo rehetra ireo dia tsy mbola nahitan'ny tompon'andraikitra vahaolana avokoa ary nampitaraina ireo valala be mandry satria ahiany ho hisy fiantraikany amin'ny fiainany an-davanandro amin'ny ankapobeny. Fa anisan'ny nitana ny sain'ny mpanara-baovao ihany koa ny mahakasika ny famarotana Minisitra iray teo aloha tamin'ny vidiny mora dia mora (1.000 ariary/m²) izay tsy mifanaraka amin'ny tolotra misy an-tanàn-dehibe ny "Villa Elisabeth" nonenan'ny Profesora Zafy Albert, miampy ireo hafa tsy ho voatanisa. Eo anatrehan'izay dia tokony ho faizina araka ny lalàna velona sy misy eto izay olona fantatra, fa nanao izay asa ratsy izay satria fanetriben'ny firenena no mpanapotika ny maha olona. Heverin'ny maro araka izany, fa tsy ho kabary fanafosafoana na hanondronam-paingotra ny hafa indray no hisy, fa mba vahaolana sy fandraisan'andraikitra mivantana no andrasana aminy amin'izao volana vitsy mialoha ny hifaranan'ny fitantanana ny firenena izao.

Evariste Ntsoavina

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT