• Alatsinainy 18 Jona 2018
Politique.Fetim-pirenena 2018 Anaty savorovoro sy tsy fifampitokisana

8 andro sisa dia hankalaza ny faha-58 taona “niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara” isika. Hanao ahoana ny mety ho endrik’izany amin’ity taona ity ?

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 18 Jona 2018
Politique.Fitsipiky ny fanorenana ifotony Tokony hatao mazava, hoy i Zakahely Boniface

Tao anatin’ny 2 taona mahery teo izao dia nankalazaina ary zary lasa lamaodin’ny ankamaroan’ireo vovonana sy vondrona ary antoko politika maro mihitsy ity resaka fanorenana ifotony ity.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 18 Jona 2018
Politique.Firenena afrikanina Tsy mieritreritra ny hoaviny ny ankamaroany

Manana manamboninahitra sy tompon'andraikitra ary avarapianarana maro ny firenena afrikanina. Mbola betsaka anefa ny firenena ao anatin’io kaontinanta io no miaina anaty fahantrana, anisany i Madagasikara. Olana ny tsy fahaiza-mandalina sy ny tsy fananana stratejika matotra enti-mampandroso ny firenena. Aty amin'ny firenena Afrika miteny frantsay dia tsy manana ary tsy mampihatra ny paikady entina amin’ny fampandrosoana maharitra sy lovain-jafy ny ankamaroany. Mahantra hatrany ity kaontinanta ity mitaha amin’ireo kaontinanta hafa. Raha eo amin’ny sehatra angovo, indrindra ny solika, dia tsy mieritreritra ny hoaviny akory ny ankamaroan’ny mpitantana ny firenena afrikanina. Ireo manampahaizana fanta-daza manerantany dia samy mihevitra fa amin'ny 15 ka hatramin'ny 20 taona dia hihalany ary hiaka-bidy be ny solika. Mety hahatratra hatrany amin’ny 120 dolara na 410 400 Ar (1dolara=3420Ar) ny vidin’ny barilan’ny solitany amin’ny taona 2020.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 18 Jona 2018
Politique.ANTOKO PSD Zazalahy kely miisa 120 no noforaina maimaimpoana

Ankoatra ny firotsahana an-tsehatra amin’ny resa-politika dia tsy manao ambanin-javatra ny asa sosialy entina hanasoavana ny vahoaka ihany koa ny antoko PSD.

Hamaky ny tohiny
  • Sabotsy 16 Jona 2018
Politique.Mbola Rajaonah sy Jaona Elite Te ho eny amin’ny kianjan’ny 13 mey ?

Mirodana tsikelikely ny fanjakana HVM, maro ireo mpiara-miasa na olona akaiky ny filoham-pirenena no efa tonga saina ary tsy te ho ratsy eo anoloan’ny fiaraha-monina sy ny firenena.

Hamaky ny tohiny
  • Sabotsy 16 Jona 2018
Politique.Praiminisitra Christian Ntsay Mifanolana amin’ny filoha sahady

Mandeha ny tsindry isan-karazany eo anatrehan’ny fitsanganan’ny governemanta Ntsay Christian, izay tsy mahafa-po ny depioten’ny fanovana sy ny vahoaka mpitolona.

Hamaky ny tohiny
FTT