Politique

Fetim-pirenena 2018 Anaty savorovoro sy tsy fifampitokisana


  • Alatsinainy 18 Jona 2018

8 andro sisa dia hankalaza ny faha-58 taona “niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara” isika. Hanao ahoana ny mety ho endrik’izany amin’ity taona ity ?

 Fanontaniana mipetraka io manoloana izao fisantaran’ny “governemantan’ny marimaritra iraisana” azy izao. An-daniny ireo mpiray tolona amin’ny hetsiky ny fanovana etsy amin’ny 13 mey mitaky ny hanalana amin’ny toerany ireo minisitra HVM miisa 14. Hanao ny matsony manokana ve izy ireo ? An-kilany ny mpiara-dia amin’ny filoham-pirenena sy ireo mpikamban’ny governemanta izay mbola ahitana ireo 12 mianadahy antsoina hiverina eny an-kianja ihany koa satria tsy nohajaina ny fifanarahana. Manoloana izany dia miaiky ny rehetra fa mbola anaty savorovoro sy tsy fifampitokisana tanteraka isika izao ary sarotra ny hino fa hahavintrana firaisankinam-pirenena tampoka mialoha izay fetim-pirenena izay. Ny fetin’ny 26 jona anefa no tokony hanehoana ny firaisankina.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT