Ankoatra ny firotsahana an-tsehatra amin’ny resa-politika dia tsy manao ambanin-javatra ny asa sosialy entina hanasoavana ny vahoaka ihany koa ny antoko PSD.
Any amin’ireo tena maharary ny vahoaka no jereny amin’izany ka anisan’ireny ny fanaovana didim-poitra ireo zazalahy kely amin’ny vanim-potoanan’ny ririnina tahaka izao, hetsika efa fanaon’izy ireo isan-taona. Amin’ny ankapobeny tokoa mantsy dia mila manomana hatrany amin’ny 100.000 Ar raha kely ny ray aman-dreniny iray raha hanao didim-poitra zaza iray, miaraka amin’ny kilalao sy ny malabary. Betsaka anefa ireo tsy manana fahafahana ho amin’izany, antony nanosika ity antoko ity hanatanteraka famoran-jaza maimaimpoana teny Manarintsoa Isotry ny faran’ny herinandro teo. Tanjon’ny fikambanana, raha araka ny fanazavan’ny sekretera nasionalin’ny antoko Rtoa Eliana Bezaza ny mba hahafahana manampy ny tokantrano Malagasy izay efa tena sahirana ny ankamaroany ankehitriny nefa tsy misy mpijery. Miisa 120 ireo zazalahy kely nahazo tombontsoa tamin’izany izay sady nampanarahina fanafody sy malabary maimaimpoana no mbola nahazo kilalao ihany koa. Mponina avy ao amin’ny Boriborintany voalohany sy fahatelo ary fahefatra ny ankamaroan’izy ireo izay marihina fa saika sahirana avokoa ny ankamaroany. Nomarihin-dRtoa Eliana Bezaza moa fa ny fijerena ny olombelona eny ifotony tahaka izao no tena katsahin’ny vahoaka saingy toa tsy tsapan’ny fanjakana akory izany, eny fa na dia ny hanala azy ireny ao loto iainany amin’ny fiainana andavanandro fotsiny aza. Handeha hitokana tsena sy hanao famoran-jaza faobe tahaka izao any Amparafaravola indray moa ny antoko PSD ho fanampiana ireo mponina any an-toerana ihany koa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.