Mandeha ny tsindry isan-karazany eo anatrehan’ny fitsanganan’ny governemanta Ntsay Christian, izay tsy mahafa-po ny depioten’ny fanovana sy ny vahoaka mpitolona.
Tonga hatrany amin’ny fitakiana ny fialan’ny praiminisitra izany. Re siosio omaly fa hoe nisy ny fihaonana mangingina teo amin’ny filoha sy ny praiminisitra teny Iavoloha ny alin’ny alakamisy teo hifoha zoma tokony tamin’ny 10 ora alina ka hatramin’ny 1 ora maraina. Tsy nisy ny vaovao ofisialy momba ity feo niely ity, saingy re kosa fa mandeha ny tsindry avy amin’ny praiminisitra eo anatrehan’ny fitsabahan’ny olona akaiky ny HVM tao anatin’ny fananganana ny governemanta vaovao. Malaza ratsy ho anisan’ny tena mbola tompon-kevitra tamin’ny bodongerona tamin’ny fametrahana ny olon’ny HVM tao anatin’ny governemanta ny filohan’ny Antenimierandoholona sady filoha nasionalin’ny HVM, Rivo Rakotovao. Ity farany no voalaza ihany koa fa antony nampisintaka ireo olona akaiky ny filoha sasany, izay re fa efa nangoron’entana, toa an-dry Mbola Rajaonah. Mandeha ny resaka fa nisy ny fampitandremana an-dRajaonarimampianina mba hifehy an’ity filoha nasionalin’ny HVM ity eo anatrehan’ny efa fahalemen’ny antokony kanefa mbola midingin-drambo. Eo anatrehan’ny tsindry samihafa dia re fa mety handrava ny governemanta amin’ny alalan’ny fametraham-pialany ny praiminisitra, ary haverina hotendrena, ka hanolotra anarana vaovao manoloana ny tsy fankasitrahan’ny maro ny mbola fisian’ny HVM ao anaty governemanta. Olona tohanan’ny sehatra iraisam-pirenena ny praiminisitra vaovao, ary mbola harovan’ny didin’ny HCC tamin’ny 25 mey ao amin’ny andininy faha-5, fa tsy azon’ny filoha atao ny manala azy. Manana fahefana feno handrava ny governemanta ny tenany, ary mety hiafara amin’izany ity raharaha ity eo anatrehan’ny tsindry samihafa miantefa aminy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.