Politique

Firenena afrikanina Tsy mieritreritra ny hoaviny ny ankamaroany


  • Alatsinainy 18 Jona 2018

Manana manamboninahitra sy tompon'andraikitra ary avarapianarana maro ny firenena afrikanina. Mbola betsaka anefa ny firenena ao anatin’io kaontinanta io no miaina anaty fahantrana, anisany i Madagasikara. Olana ny tsy fahaiza-mandalina sy ny tsy fananana stratejika matotra enti-mampandroso ny firenena. Aty amin'ny firenena Afrika miteny frantsay dia tsy manana ary tsy mampihatra ny paikady entina amin’ny fampandrosoana maharitra sy lovain-jafy ny ankamaroany. Mahantra hatrany ity kaontinanta ity mitaha amin’ireo kaontinanta hafa. Raha eo amin’ny sehatra angovo, indrindra ny solika, dia tsy mieritreritra ny hoaviny akory ny ankamaroan’ny mpitantana ny firenena afrikanina. Ireo manampahaizana fanta-daza manerantany dia samy mihevitra fa amin'ny 15 ka hatramin'ny 20 taona dia hihalany ary hiaka-bidy be ny solika. Mety hahatratra hatrany amin’ny 120 dolara na 410 400 Ar (1dolara=3420Ar) ny vidin’ny barilan’ny solitany amin’ny taona 2020.

 
 Fantatr’ireo firenena toa an'i Etazonia, Frantsa, Sina, Royaume-Uni, izany ary ireo dia manana sampandraharaha mandalina manokana momba izany. Tanjona ny hananany vahaolana izay ahafahan'izy ireo hifehy ny solika misy manerantany, mba hahazoany antoka fa hisy hatrany ary voavatsy hatrany izy ireo. Tsy mba mieritreritra sy mitsinjo izany ny aty Afrika. Ny ankamaroan’ny mpitondra afrikanina dia tsy mahatsikaritra sy tsy mihevitra akory ny loza mananontanona sy ny mety ho avy any aoriana. Any amin'ny firenena tahaka an'i Gabon izay hahitana ny fantso-tsolika aza moa dia efa fantatra fa ho mety ho ritra  afaka folo taona kanefa dia tsy mba misy fanapahan-kevitra ho fiarovana azy. Tahaka ny misy eto Madagasikara izay variana fotsiny maka vola sy mifanaraka amin’ny firenena manankarena ny amin’ny fitrandrahana solika. Variana mameno paosy fotsiny ny mpitondra fa tsy misy fitsinjovana ny hoavin’ny firenena.
 
Tsiry
 
 
 
 
 
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT