Politique

Fitsipiky ny fanorenana ifotony Tokony hatao mazava, hoy i Zakahely Boniface


  • Alatsinainy 18 Jona 2018

Tao anatin’ny 2 taona mahery teo izao dia nankalazaina ary zary lasa lamaodin’ny ankamaroan’ireo vovonana sy vondrona ary antoko politika maro mihitsy ity resaka fanorenana ifotony ity.

 

Maro amin’ireo mpanara-baovao mihitsy no efa miha leo amin’ny fahenoana azy io isan’andro, indrindra, manoloana ny fisavoamboanan’ilay resaka fotsiny hatramin’izao fa tsy hita izay tena finiavana sy ady mafin’ireo mpanao politika mba hahafahana manomboka izany. Mikasika izay resaka fanorenana ifotony izay indrindra dia nilaza ny mpanao politika, Zakahely Boniface, fa efa tokony hatomboka tokoa io fanorenana ifotony io ary mila atao mazava ny fitsipika itondrana azy dia ny fampihavanana sy fanovana lalàmpanorenana. Iaraha-mahalala, hoy izy, fa lalàmpanorenana miteraka tsy fandriampahalemana no iainantsika hatramin’izao satria malemy ny fitondrana. Tsy misy fakana an-keriny hanjaka izany raha tsy ny fanjakana no ao ambadika, hoy hatrany ny tenany. Ny antony, hoy izy, dia tsy mbola misy orinasa mpamokatra fitaovam-piadiana eto. Mifampihatsaravelatsihy foana no olantsika, hoy hatrany ity mpanao politika ity.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT