Politique

Mbola Rajaonah sy Jaona Elite Te ho eny amin’ny kianjan’ny 13 mey ?


  • Sabotsy 16 Jona 2018

Mirodana tsikelikely ny fanjakana HVM, maro ireo mpiara-miasa na olona akaiky ny filoham-pirenena no efa tonga saina ary tsy te ho ratsy eo anoloan’ny fiaraha-monina sy ny firenena.

Re izao taorian’ny nisitahan’izy ireo tamin’ny filoha Rajaonarimampianina sy ny antokony fa manam-paniriana niara-dia amin’ny tolona ho an’ny fanovana eny amin’ny kianjan’ny 13 mey Atoa isany Mbola Rajaonah mpanolotsaina manokan’ny filoha teo aloha sy Harijaona Randriarimalala na Jaona Elite depioten’Atsimondrano izay tezitra mafy noho ny tsy namelana azy handray anjara fitenenana teny amin’ny antenimieram-pirenena omaly ary nifamaly mihitsy tamin’ny filohan’io andrim-panjakana io, ary avy eo nandao ny efitrano fivoriana.Raha izany tokoa no mitranga dia azo ambara hoe tena faharesena goavam-be ho an’ny HVM ary manaporofo fa mitombina sy ara-drariny tokoa ny tolona ho an’ny fanovana; ry zareo depiote ho an’ny fanovana moa efa hatry ny ela no niantso hoe :mbola tsy tara fa tongava miaraka aminay ianareo izay manohana ny fitondrana fa fotoana ho an’ny fanovana izao. Efa notaterina teto ihany fa ny  80% n’ireo solombavambahoaka nambara fa miara-dia amin’ny fitondram-panjakana dia efa niova hevitra avokoa satria sosotra amin’ny fomba fiasa sy ny fifampitondrana eo anivon’ny HVM fa toa hoe sady feno hafetsifetsena no tsy mba misy fifanajana mihitsy, ary olom-bitsy no mitady hanjakazaka.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT