• Alakamisy 25 Aprily 2019
Politique.Fifidianana eto Madagasikara Teboka maro mila hatsaraina, hoy ny Eoropeanina

Namoaka ny tatitry ny fanaraha-maso nataony tamin’ny fifidianana filoha teto Madagasikara ny 7 novambra sy ny 19 desambra ny Iraka mpanara-mason’ny Vondrona Eoropeanina (MOUE) omaly alarobia 24 aprily.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 25 Aprily 2019
Politique.Fitsapan-kevi-bahoaka Tsy maintsy atao na iza faly na iza tezitra

Tongotra mby an-dakana ny fanatanterahana ny fitsapan-kevi-bahoaka hikitihana ny lalàmpanorenana ho an’ny mpitondra fanjakana matoa efa tontosa omaly maraina teny amin’ny CENI teny Nanisana ny fisarihana ny filaharan'ny fandraisam-pitenenan'ireo komity mpanohana ao amin'ny haino amanjerim-pirenena.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 23 Aprily 2019
Politique.Marc Ravalomanana “Tsy kitihana amboletra ny lalàmpanorenana”

Tsy niandry ela fa nanao fanambarana lehibe teny Faravohitra eo anatrehan’ny fikatsahan’ny fanjakana ankehitriny hikitika sy hanitsy ny lalàmpanorenana ka hanaovana fitsapan-kevi-bahoaka mirazotra amin’ny fifidianana depiote ny 27 mey ny avy amin’ny Antoko Tiako I Madagasikara tarihin’i Marc Ravalomanana sy ireo Birao politika, miampy ireo kandida solombavambahoaka atolotry ny TIM omaly takariva. Isan’ny teny atao voalohany indrindra amin’ny fihanianan’ny Repoblika ny hanaja ny lalàmpanorenana sy hitandro toy ny anakandriamaso azy io, ka nanaitra sy nampieritreritra ny hoe: moa ve izany tena manaja ny lalàmpanorenana io? Hoy i Marc Ravalomanana.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 23 Aprily 2019
Politique.Antenimierandoholona Hofoanan-dRajoelina tokoa…

Noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra ny 19 aprily lasa teo ny didim-panjakana laharana faha-2019-790 manaika ny mpifidy handatsa-bato amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka mifanindran-dàlana amin’ny fifidianana depiote amin’ny 27 mey ho avy izao. Misy andalana tian’ny mpitondra hovaina, toy ny fanafoanana ny antenimierandoholona. Eo ihany koa ny fanovana ny Lehiben’ny Faritra ho Governora, izay raha ny lalàna dia fidiana ny lehiben’ny faritra, ka mety tetika hanamafisana orina ny fahefana io mba ho olona tendrena no hitondra ny faritra fa tsy handalo fifidianana.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 23 Aprily 2019
Politique.Alain Mahavimbina « Loza ny fampiarahana ireo fifidianana roa ireo »

Niteraka resabe indrindra eo amin’ ny raharaha politika ny fampiarahana ny fifidianana solombavambahoaka izay hatao amin’ ny 27 mey izao amin’ ny fitsapa-kevi-bahoaka. Anton’ izany ny hanitsina ireo andininy vitsivitsy ao anatin’ ny lalàmpanorenana. Ara-dalàna ny fampiantsoana ny mpifidy ataon’ ny filoham-pirenena saingy kosa tsy azo hampiarahana ny fifidianana solombavambahoaka sy ny fitsapa-kevi-bahoaka, hoy Alain Mahavimbina, mpahay lalàna.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 23 Aprily 2019
Politique.Fanendrena mpiasam-panjakana ambony Anjakan’ny bizina sy ny kolikoly avo lenta…

Mitarazoka ny fanendrena ireo mpiasam-panjakana ambony. Betsaka ny toerana no banga ary be ny asa miantona noho izany. Raha ny feo heno dia maro ireo manodidina ny filoha no mangataka "gouter" amin’ireo olona mety ho voatendry. Raha tena izay tokoa ny zava-misy, dia lojika be raha lasa bizina io, ka tsy atao mahagaga raha tsy mandeha amin’izay laoniny ny raharaha sy ny asam-panjakana satria mety izay manam-bola no ho tafiditra fa tsy ny traikefa no mikaonty. Rehefa tonga ao dia ny hanonitra ny vola lany nidirana tao aloha no zava-dehibe.

Hamaky ny tohiny
FTT