Namoaka ny tatitry ny fanaraha-maso nataony tamin’ny fifidianana filoha teto Madagasikara ny 7 novambra sy ny 19 desambra ny Iraka mpanara-mason’ny Vondrona Eoropeanina (MOUE) omaly alarobia 24 aprily.
Nifototra tamin’ny fanatsarana tokony hatao taorian’ny fandalinana ny fizotry ny fifidianana izy io. Notsiahivin’ny Lehiben’ny iraka mpanara-maso sady mpikambana ao amin’ny Parlemanta Eoropeanina, Cristian Preda fa nizotra tsara ny fifidianana filoha tamin’ny ankapobeny raha ny fahitan’izy ireo azy. Ny tatitra farany anefa dia misy ny fangatahana fanovana hahafaha-manatsara ny raharaham-pifidianana. Tokony hapetraka sy faritana mazava ao anatin’ny lalàna ny fisian’ny satan’ny mpanohitra sy ny fijoroany eny amin’ny antenimieram-pirenena. Haverina dinihina sy halalinina ny lalàna momba ny fampielezan-kevitra ary faritana ny sora-bola farany ambony azo ampiasaina. Mila faritana mazava ao anatin’ny lalàmpanorenana ny mahakasika ny CENI, ary io rafitra io no mametraka ny tetiandro mazava amin’ny fifidianana mba hisian’ny tena fahaleovantenany. Hamafisina ny fahaleovantena sy ny lafiny fampihodinana ary ny fahitana ny fisian’io kaomisionina io eny amin’ny kaominina sy ny distrika. Tokony hisy ny fandalinana ny fahafaha-mahazo atontan-kevitra hahafaha-mametraka fomba mahomby hitsinjarana kara-panondrom-pirenena, izay mitondra mankany amin’ny fahatsaran’ny lisi-pifidianana azo antoka sy misokatra ho an’ny rehetra. Apetraka ny fahefana ambony momba ny serasera ka tokony hiantohana ny fahaleovantenany manoloana ny fahefana mpanatanteraka. Entanina handray anjara ny vehivavy amin’ny fifidianana,... Ny 26 sy ny 29 aprily dia hisy ny fihaonana an-databatra hiresahana ny fomba hanatanterahana ny fanatsarana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.