Politique

Alain Mahavimbina « Loza ny fampiarahana ireo fifidianana roa ireo »


  • Talata 23 Aprily 2019

Niteraka resabe indrindra eo amin’ ny raharaha politika ny fampiarahana ny fifidianana solombavambahoaka izay hatao amin’ ny 27 mey izao amin’ ny fitsapa-kevi-bahoaka. Anton’ izany ny hanitsina ireo andininy vitsivitsy ao anatin’ ny lalàmpanorenana. Ara-dalàna ny fampiantsoana ny mpifidy ataon’ ny filoham-pirenena saingy kosa tsy azo hampiarahana ny fifidianana solombavambahoaka sy ny fitsapa-kevi-bahoaka, hoy Alain Mahavimbina, mpahay lalàna.

 

Ny antony, ny fifidianana solombavambahoaka dia fifidianana manakaiky vahoaka, izany hoe dia tena safidy olona miara-monina aminy sy mahavita ny adidy ankinina aminy. Misy fepetra maro apetraky ny vahoaka vahoaka amin’ izany ka manana anjara lehibe ny mpanao politika. Ny lalàmpanorenana kosa dia tokony hilamin-tsaina ny olona amin’ny safidy tokony ataony satria fototra hametrahana ny fari-pandaniana na tany tan-dalàna. Samihafa ireo fifidianana ireo satria ny iray mitady olona ho rafitra hanatanteraka ny asa rehetra mifanaraka amin’ ny lalàna fa ny iray hafa kosa dia lalàna fampanajàna ny tany tan-dalàna sady fototry ny fisian’ ny lalàna amin’ ny tany manana ny fiandrianany ny lalàmapanorenana. Mila saina tony ny vahoaka amin’ ny fiantrehany izany fitsapa-kevi-bahoaka izany ka tsy tokony hifangaro zavatra hafa. Nohamafisin’ i Alain Mahavimbina hatrany fa sarotra no mampiaraka an’ io ka loza no aterk’ izany satria ny fitiavan’ ilay vahoaka an’ ilay kandidà no ampanarahana ilay lalàna, hany ka tsy mipetraka amin’ ny maha lalàna fototra azy intsony. Notsipihany manoakana fa raha tena mahaleotena ny CENI Madagascar dia tokony milaza an’ny fanjakana hoe saraho io satria tsy anjaran’ ity rafim-panjakana ity no mampanao fitsapahankevibahoaka. Mahafantatra tsara ny asan’ ny mpanatanteraka i Alain Mahavimbina, kandidà depiote any Toamasina I, noho izy efa lehiben’ ny faritra Atsinanana ka niara niaina tamin’ ny vahoaka ao Toamasina tamin’ ny sehatra rehetra na politika, kolontsaina, tanora, toekarena…

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT