Politique

Antenimierandoholona Hofoanan-dRajoelina tokoa…


  • Talata 23 Aprily 2019

Noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra ny 19 aprily lasa teo ny didim-panjakana laharana faha-2019-790 manaika ny mpifidy handatsa-bato amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka mifanindran-dàlana amin’ny fifidianana depiote amin’ny 27 mey ho avy izao. Misy andalana tian’ny mpitondra hovaina, toy ny fanafoanana ny antenimierandoholona. Eo ihany koa ny fanovana ny Lehiben’ny Faritra ho Governora, izay raha ny lalàna dia fidiana ny lehiben’ny faritra, ka mety tetika hanamafisana orina ny fahefana io mba ho olona tendrena no hitondra ny faritra fa tsy handalo fifidianana.

 

Tsy nisy resaka mihitsy io fanintsiana lalàmpanorenana io hatramin’izay, saingy iniana japiana ny fifidianana solombavambahoaka ka isan’ny voizina ho antony ny mba tsy hisian’ny fandaniana volabe. Tsy voahaja ny 90 andro mialoha hanaikana ny mpifidy, saingy lalaovina amin’ny didy fakan-tahaka « jurisprudence » tamin’ny fitsapankevi-bahoaka ny aprily 2007. Raha ny voalazan’ny andininy faha-161 amin’ny lalàmpanorenena moa, dia tsy azo atao ny manitsy ny lalàmpanorenana raha tsy misy toe-javatra sokajiana ho hamehana sy tsy azo hivalozana. Finiavana avy amin’ny filoha andraisana fanapahan-kevitra ao anatin’ny filankevitry ny minisitra na avy amin’ny antenimiera, izay fangatahana tsy maintsy mahazo fankatoavan’ny ¾ ny mpikambana ny fahafahana manova an’io. Ny tolo-kevitra fanitsiana dia tsy maintsy ankatoavin’ny ¾ amin’ny mpikamban’ny antenimieram-pirenena sy ny antenimierandoholona, ary tsy maintsy lany amin’ny fitsankevi-bahoaka vao azo ampiharina. raha ny ambaran’ny andininy faha-162 amin’ny lalàmpanorenana. Tsy misy antenimieram-pirenena anefa amin’izao, kanefa io misisika io ny fanjakana Rajoelina satria mihevitra fa manana ny fahefana feno hanao lalàna sy hampanan-kery, saingy tsy hahafany manao izany ny fahefana manokan’ny filoha izay voafetra.  Raha ny fanehoan-kevitry efa nataon’ny Filohan’ny Antenimierandoholona ankehitriny Rivo Rakotovao, dia andrim-panjakana iankinan’ny fitoniana na “Institution de Stabilité” ary mitondra ny hetaheta avy amin’ny Vondrom-bahoaka-paritra itsinjaram-pahefana any amin’ny Governemanta. 0,04% amin’ny tetibola ankapobeny no mampiodina io andrim-panjaka io, raha ny nambarany. Milaza kosa ny fanjakana fa mandany hatrany amin’ny 25 miliara ariary mahery, ka aleo hositrahan’ny tanora amin’ny alalan’ny fananganana oniversite. Ny eo aza anefa tsy voavahan’ny fanjakana ny olan’ny fampianarana, ka maro no miahiahy fa tetika hampivangongoana ny fahefana any amin’ny filoha sy ny ekipany io. Ny tetezamita no nanao io lalàmpanorenana io, ary mbola tsy nosedraina taminy akory, dia efa io tetehina hokitihina tsy hakana ny hevitry ny mpisehatra politika sy ny herivelona samihafa io, fa izay tiany. Tantara mitohy…

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT