• Talata 23 Aprily 2019
Politique.Andry Rajoelina Tonga saina fa tena ilaina ny Fiangonana

Niara-nankalaza ny Paska niaraka tamin’ireo kristianina tao amin’ny Ekar Notre Dame de Lourdes , ao kaominina Ambatomiady, distrikan’Antanifotsy, ny alahady teo ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, mivady. Ny volana aogositra lasa teo, raha nangataka fanampiana ny mpino ao amin'ity fiangonana ity, nony ezaka fanamboarana fiangonana no nilazan’ny filoha fa hiantoka ny ilaina rehetra ny tenany. Nandritra ity lamesa ny alahady teo ity no nanolorany ihany koa ny lakolosy goavana izay milanja 250kg ho an'ny Ekar Ambatomiady.

Hamaky ny tohiny
  • Sabotsy 20 Aprily 2019
Politique.Marc Ravalomanana Nanome vahaolana ho an’ny fitondrana

Nanaja ilay 100 andro voalohany nitantanan’ny filoha vaovao aho, hoy i Marc Ravalomanana omaly tany Mahajanga saingy efa tonga kosa ny fotoana hitenenako.Vonona aho ny hiara-kiasa amin’ny fitondrana, hoy izy saingy tsy maintsy miteny kosa aho satria tsy araka ny nampanantenaina ny zava-mitranga.Miiba iny 100 andro iny raha atao ny jery todika; tsy mahalala ny tena laharampahamehana ny mpitondra, mitombo be ny tsy fandriampahalemana satria tsy misy ny asa ary tsy manam-bola ny olona, hoy i Marc Ravalomanana.

Hamaky ny tohiny
  • Sabotsy 20 Aprily 2019
Politique.Antoko TIM Efa manomana ireo mpandimby

Atao antoko filamatra eto Madagasikara tahaka ireo antoko lehibe any ivelany : Etazonia, Alemana, na koa ny ANC (African National Conbgress) atsy Afrika atsimo izay efa naharitra 100 taona fa mbola manana ny maha izy azy ihany ny Tiako i Madagasikara na ny TIM. Efa manomana ireo mpandimby ihany koa ny TIM ary ho hita foana amin'ny raharaham-pirenena sy ny fifidianana rehetra eto Madagasikara: hanabe ara-politika ny olom-pirenena ihany koa.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 19 Aprily 2019
Politique.Antenimieram-pirenena Malagasy Fa inona marina, ahoana ny fiasany ?

Andrim-panjakana iray anisan’ny hiankinan’ny fiainam-pirenen’ity nosy misy antsika ity ny Antenimieram-pirenena Malagasy amin’ny ankapobeny. Rariny raha mba hofantarintsika olom-pirenena tsy an-kanavaka amin’izao ankatoky ny fifidianana solombavambahoaka izao ny tantaran’ny Antenimieram-pirenena Malagasy sy ny asany ary ny fomba firafiny sy fomba fiasan’izay depiote ho lany ao ary ny tombontsoa maro samihafa mety ho azo ao. Hisy ihany karazana fanehoan-kevitr’ireo depiote nahavita taom-piasana maromaro nifandimby tao. Farany, hotsiahivintsika etoana ny anaran’ireo filoha nifandimby nitantana an’ity Antenimieram-pirenena Malagasy ity hatramin’ny niandohany ka hatramin’ny taona 2018 teo.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 19 Aprily 2019
Politique.Rajoelina sy ny IEM 3 volana nampiesonana ny Malagasy

Telo volana kakotra anio 19 aprily 2019 no nitondran’ny filoha ankehitriny Andry Nirina Rajoelina na ny fitondrana IEM satria io no nanamarika azy. Sehoseho sy tapi-maso eraky ny tanàna no natao na inona na inona fanazavana mety hanakonana izany. Tsy misy asa goavana nisongadina, nijapy ny programan’ny teo aloha, ary tsy arakaraka ny fampanantenana natao tany amin’ny propagandy na nialoha izany aza ny zava-nisy, toy ny tamin’ny hoe efa fahavononan’ny mpamatsy vola ny IEM, araka ny fampahafantarana voalohany io IEM (Initiative pour l’Emergence de Madagascar) tany Frantsa ny 15 septambra 2018.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 19 Aprily 2019
Politique.Tafika Malagasy Misy tsy mankasitraka ny CEMGAM vaovao ?

Taorian`ny fivorian`ny filankevitry ny minisitra ny alarobia 10 aprily lasa teo dia manomboka mafana ny amin`ireny minisitera ireny ho an`izay nisy fanendrena tompon’andraiki-panjakana ambony. Vao nivoaka ny tatitra dia efa naneho ny heviny ny maro ary saika fandavana sy tsy fankasitrahana ka anisan`izany ny tafika Malagasy. Maro ireo tsy nankasitraka ny fanendrena an`ny General de Division Rakotonirina Theophile Justin ho lehiben`ny Etamazaoro jeneralin`ny Tafika Malagasy ao amin`ny minisiteran`ny fiarovam-pirenena (CEMGAM).

Hamaky ny tohiny
FTT