Mitarazoka ny fanendrena ireo mpiasam-panjakana ambony. Betsaka ny toerana no banga ary be ny asa miantona noho izany. Raha ny feo heno dia maro ireo manodidina ny filoha no mangataka "gouter" amin’ireo olona mety ho voatendry. Raha tena izay tokoa ny zava-misy, dia lojika be raha lasa bizina io, ka tsy atao mahagaga raha tsy mandeha amin’izay laoniny ny raharaha sy ny asam-panjakana satria mety izay manam-bola no ho tafiditra fa tsy ny traikefa no mikaonty. Rehefa tonga ao dia ny hanonitra ny vola lany nidirana tao aloha no zava-dehibe.
Ny tena loza dia mety tsy mba olona iray no anaovana fomba tahaka izany fa dia izy rehetra izay mety ho voatendry, hany ka tsy misy zavatra azo antenaina firy amin’ny vokatra. Resahina ny mangarahara, roahina ny mpiasa tsy raikitra,… saingy mba tena mandeha araka ny tokony ho izy ve ny fametrahana olona? Tsy olona iray koa no malaza ho mpanao io afera io fa saika voatonontonona ireo izay miseho sy hita matetika eny akaikin’ny filoha ankehitriny, eny fa na ny fihaonana amin’ireo tompon’andraikitra ambony tahaka ny ministra ary dia misy ireo olona akaiky azy no tsy menatra akory mivarotra sy manao fitadiavam-bola izany. Tahaka izao no fiangan’ny kolikoly faobe satria ireo olona ho voatendry koa izany dia tsy maintsy hanao izay hamerenany izany mason-karena izany. Tsy afaka hifantoka amin’ny fampandrosoana mihitsy Ireo mpitantana voatendry satria tsy izay no laharam-pahamehany. Mbola endrika hafa isehoan’io ankoatra ny fitakiana ekolazy ny kinamanamana na kihavanavana, ka tsy atao mahagaga raha misy olona mpivady miaraka voatendry ho tale any anaty minisitera, toy ny tao amin’ny Minisiteran’ny vola sy ny fitantanam-bola. Tokony handray fepetra haingana ny fanjakana manoloana izany fa loza mitatao ho an’ny firenena ny fomba tahaka izany. Tsy tokony hifantoka amin’ny fanenjehana ireo fahavalo politika intsony fa hibanjina ny ho avy, ka hanilika ireo izay mihevi-tena ho avara-patana ka tsy ho voafehin’ny lalàna.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.