Tsy niandry ela fa nanao fanambarana lehibe teny Faravohitra eo anatrehan’ny fikatsahan’ny fanjakana ankehitriny hikitika sy hanitsy ny lalàmpanorenana ka hanaovana fitsapan-kevi-bahoaka mirazotra amin’ny fifidianana depiote ny 27 mey ny avy amin’ny Antoko Tiako I Madagasikara tarihin’i Marc Ravalomanana sy ireo Birao politika, miampy ireo kandida solombavambahoaka atolotry ny TIM omaly takariva. Isan’ny teny atao voalohany indrindra amin’ny fihanianan’ny Repoblika ny hanaja ny lalàmpanorenana sy hitandro toy ny anakandriamaso azy io, ka nanaitra sy nampieritreritra ny hoe: moa ve izany tena manaja ny lalàmpanorenana io? Hoy i Marc Ravalomanana.
Tena zava-dehibe ny fanjana ny lalàmpanorenena, ka raha izay no fanapahan-kevitra ny HCC, dia tsy maninona fa ekeko, fa raha ohatra ka manitsakitsaka sy manao zinona ny lalàmpanorenana dia tsy azo ekena intsony ary tsy mety, hoy izy. Mizara telo dia ny fanampiana (amendement), fanintsiana (révision), ary fanovana azy vaovao. Angaha mikatso ny raharaham-pirenena matoa misy fanovana atao amin’ny lalàmpanorenena? Raha mikatso izy dia inona no mampikatso azy ary moa ve tsy maintsy atao izy io? Nambaran’ny Filoha nasionalin’ny TIM fa tokony manaraka tsara ny dingana sy ny paikady, mba miandry aloha roa volana na telo volana ahatafapetrahan’ny antenimieram-pirenena, izay vao atao izany. Angaha izy ity terena fotsiny sy atao tery vay manta ohatr’izany, hoy i Marc Ravalomanana, izay nanitrikitrika fa tsy azo atao ary tsy mety izany. Nampametra-panontaniana azy ireo ny mahakasika ny fampielezan-kevitra. Nahoana ny fifidianana solombavambahoaka 21 andro ny fampilezan-kevitra, hoy ireo, kanefa 30 andro kosa ho an’ny fitsapankevi-bahoaka? Hentitra i Marc Ravalomanana nilaza fa tsy atao kitoatoa fotsiny tahaka izao io, ary tena efa mihoatra ny fefy izany. Notsindriany hatrany fa nialohan’ny nandraisan’ny filoha ny asany rehefa voafidy izy, dia nihaniana ny hanaja toy ny anakandriamaso ny lalàmpanorenana. Tsy azo kitikitihina fotsiny tahaka izao io, ka raha ohatra ka misy tena hoe: mikatso ny fiainam-pirenena dia azo dinihina ny antony ary lazaina ny vahoaka fa tsy izay tian’ny mpitondra sy metimety aminy fotsiny no atao eto. Raha halalinina ny hevitry ny TIM dia tsy tokony hisy ny amboletra ka ampiatoana aloha io tetika hafahafa io. Teknika be io, ary mila mifampidinika aloha fa tsy atao ankamehana be tahaka izao. Nianiana ny tsy hanova kanefa avy eo manova. Tsy olana ilay manitsy na manova fa atao ao anatina fifampidinihana:fifampidinihana isam-paritra arahina dinika nasionaly. Lalàna fototra ny lalàmpanorenana, ka tsy azo atao kimaimaika, mila fifampiresahana matotra eo amin’ny rehetra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.