Tongotra mby an-dakana ny fanatanterahana ny fitsapan-kevi-bahoaka hikitihana ny lalàmpanorenana ho an’ny mpitondra fanjakana matoa efa tontosa omaly maraina teny amin’ny CENI teny Nanisana ny fisarihana ny filaharan'ny fandraisam-pitenenan'ireo komity mpanohana ao amin'ny haino amanjerim-pirenena.
Ny TSIA no handray fitenenana voalohany raha toa ka ny ENY kosa no handray fitenenana faharoa. Samy hahazo anjara fitenenana ao amin'ny haino amanjerim-pirenena ireo komity manohana ny TSIA sy ny ENY mandritra ny telopolo andro fampielezan-kevitra mikasika ny fitsapan-kevi-bahoaka hanovana ny lalàmpanorenana. Homena 2mn sy 30 segondra in-telo avy ny an-daniny sy ny an-kilany isan’andro, izany hoe hisy 15 minitra atokana hanehoan'izy ireo hevitra isan’andro. Toy izao ny ora handefasana izany manomboka ny 27 aprily hatramin'ny 25 mey 2019 : TVM : 6h50, 12h50, 19h20 ; RNM : 6h50, 13h35, 18h50. Hisy ny fandaharana adihevitra miisa 2 hifanatrehan'ireo komity mpanohana ny TSIA sy ny ENY. Hotanterahina ny sabotsy 4 mey sy ny sabotsy 25 mey isaky ny amin'ny 9 ora latsaka fahefany alina (20h45). 90mn no faharetan'ny fandaharana adihevitra iray ary tsy misy mpanatrika mivantana ny fanodinana izany. Ny resaka ENY sy TSIA no ezahina ampidirina ao an-tsain’ny olona fa izay resaka lalàna hovana aza tsy mbola misy fantany akory ny toko sy andininy, ka toa ny sarety indray no lasa alohan’ny omby. Tsy nifampierana sy niadian-kevitra sy niantsoana ireo herivelona politika fa dia tian-kano tsy tian-kano. Tsy tao anaty programam-pifidianana voafaritra anaty tetibolan’ny CENI sy iandraiketany, saingy lasa misy vola hanaovana an’io izany ao, ka toa terena atao amboletra na iza ho faly na iza ho tezitra. Ny kajikajy hampandaniana azy mora foana, dia azo antoka fa tsy maintsy hisy, raha tarafina amin’ny efa natao teto. Tsy tonga teny amin'ny CENI moa ny mpanao politika samihafa.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.