• Alatsinainy 10 Mey 2010
Finoana.Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana “Fahendrena ho an’izao mpitondra izao no miala”

«Tsy ankasitrahan’Andriamanitra izao fitondrana izao”, “Manao antso avo amin’ny olo-marina tsy hiara-hiasa amin’izao fitondrana izao». Santionany tamin’ny fanambaran’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana (HMF) ireo, nandritra ny fanompoam-pivavahana lehibe faha-7 notontosain’izy ireo tao Antsonjombe ny sabotsy 08 mey teo.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 07 Mey 2010
Finoana.Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana “Tsy avy amin’Andriamanitra io fitondrana io”

“Firasankina, tsy miditra politika” no antso ataon’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana (HMF) amin’ny foloalindahy sy ny fitsarana malagasy. Eken’ny HMF ny antson’ny hery vonjitaitra eo anivon’ny zandary na FIGN satria heverin’ireto mpitondra fivavahana fa any an-dakazerina no hany hampiverina indray ny fiombonana eo amin’ireo foloalindahy.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 27 Aprily 2010
Finoana.Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana «Tsy hanaiky lembenana intsony»

Maizina ny firenena, mijaly ny vahoaka, hoy ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana (HMF) nandritra ny fanompoam-pivavahana omaly teny amin’ny Fjkm Ambohimanandray Filadelfia, nokarakarainy hampaherezana ny mpitandrina Randriamisata Roger sy nitrotroana am-bavaka ny firenena ihany koa.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 26 Aprily 2010
Finoana.Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana Haka fanapahan-kevitra goavana anio

Didy fampisamborana no azon-dRandriamisata Roger, mpitandrina ao amin’ny Fjkm Ambohimamory, taorian’ny zava-niseho teny an-toerana herinandro lasa izay. Ho an’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana (HMF) dia mamaky ady amin’ny vahoakan’Andriamanitra i Satana, manoloana izao zava-misy izao.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 23 Aprily 2010
Finoana.Fifamelan-keloka eo amin’ny ankolafy 4 Nahemotra ho amin’ny fotoana manaraka

Tsy nanoina ny antson’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana, ny amin’ilay fifamelan-keloka teo amin’ny ankolafy efatra ny ankolafy Rajoelina sy Ratsiraka. Tonga ary nahafeno ny isa nilaina ny ankolafy Ravalomanana sy Zafy Albert.

Hamaky ny tohiny
FTT