Finoana

Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana Hanao rodobe eny Ambohimanandray anio


  • Alakamisy 20 Mey 2010

Taorian’ny fanomanantena nandritra ny tontolo andro tao amin’ny FJKM Ambohimanandray Filadelfia ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana niaraka tamin’ny mpiandry sy mpitondra fivavahana handresena sy handravana ny ratsy rehetra dia hanao rodobe eny an-toerana izy ireo anio.

“Aoka izay, efa tonga ny ora. Mitsangana andeha isika”, io no teny hanorenan’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana ny hetsika goavana hataon’izy ireo anio. Nisy toerana nangatahan’izy ireo tamin’ny Kaominina, hanatanterahana io hetsika lehibe. Ambohijatovo no re fa toerana nangatahana, nefa hatramin’ny ora nanoratana tsy nahazoan’izy ireo alalana izany na nialana nenina aza, ka dia ho eny amin’ny tokotany malalaky ny FJKM Ambohimanandray Filadelfia no hifamotoanan’izy ireo anio maraina, araka ny fanazavan’ny Mpitandrina, Maurice de Dieu. Nanamafy ny mpitarika ny ankolafy telo, tao Behoririka omaly fa dia ho avy hanoina ny antson’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana izy ireo. Tetsy ankilan’izay dia hentitra ny mpandray anjara fitenenana omaly nanondro ny Frantsay sy ny Karana ho nangeja ny toekarena Malagasy. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT