Finoana

Mausolée Avaratr’Ambohitsaina Voaray vozon’akanjo indray ny Mpitandrina


  • Zoma 21 Mey 2010


Voaray vozon’akanjo indray ny Mpitandrina FJKM omaly. Nandritra ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana teny amin’ny Mausolée no nitrangan’izany. Jeneraly no niditra an-tsehatra. Tsy nihambahamba na dia iray minitra monja aza nisintona tamin’ny vozon’akanjo ny Mpitandrina Tiana Ranaivoniarivo narahin’ny teny, toy ny hoe «izaho tsy mpivavaka» raha teo am-panomanana ny fanatanterahana vavaka ireto mpitondra fivavahana ireto. Nisy trangan-javatra toy ity ny 17 martsa 2009, teny amin’ny Episcopat Antanimena. Ny filohan’ny FJKM, ny Mpitandrina Lala Rasendrahasina no voaray vozon’akanjo niaraka tamin’ny vono. Nanameloka ny herisetra toy izany izao tontolo izao. Fa ankoatra ity voaray vozon’akanjo ity dia nosamborin’ny Emmo-Reg ihany koa ny Mpitandrina Rafanoerantsoa Valisoa, filohan’ny STK Foibe eo anivon’ny FJKM. Ndeha hifampiresaka no nanantonany ny mpitandro ny filaminana kinanjo niafara tamin’ny fisamborana azy avy hatrany izany, hoy ny nanatri-maso teny an-toerana. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT