Ny 4 aprily 1968 no nitifiran’ireo tsy mataho-tody ny pasitera Martin Luther King tany Memphis, ny 20 mey kosa no nahalavo ny bala ny pasitera Ranaivo Rivo Arison. Tolona ho amin’ny fahafahana no namoizan’ireto pasitera roa ny ainy.
Nanohitra ny tsy rariny nahazo ireo mainty hoditra amerikana no nifotoran’i Luther. Nitolona nanohitra ny fanjanahan-tany frantsay vaovao kosa nonamoizan’i pasitera Rivo ny ainy. Raha zohina dia misy itoviana, araka izany ny tantaran’ireto pasitera roa ireto. Luther King dia zanaka mpitandrina. Ny fiarovany ny marina sy ny zon’ireo Amerikana mainty hoditra no namonoana azy, araka ny voalaza. Tsy nitondra basy izy fa ny tenin’Andriamanitra no nentiny niady. Anisan’ny olona nahay nitory teny izy ka nahafinaritra ny maro ny nihaino azy. Hita fa olona nanana fitiavana i Martin Luther King. Nolaviny tanteraka ny herisetra hanaovana fitakiana. Fa ny fitakiana ao anatin’ny “NON Violence” hoy izy, dia mahery lavitra noho ny herisetra eny fa na mampiasa hery aza ny andaniny. “Ny herin’Andriamanitra, hoy ny Baibloly dia tanterahana amin’ny fahalemena”. Tsy dia misy valaka amin’izany ny tantaran’i pasitera Ranaivo Rivo Arison. Zanaka Mpitandrina koa izy, ary maty notofirina ny 20 mey, tamin’iny herinandro lasa iny. Ny fiarovany ny fahamarinana izay takona tanteraka eto amin’ny firenena malagasy no antony namonoana azy. Tsy nitondra basy pasitera i Ranaivo Rivo Arison fa Baiboly no teny an-tanany. Ny fifankatiavana sy ny fifamelankeloka no ambetin-dresany.
Matetika, dia samy nilazany ireo mpiara-mivavaka aminy fa tsy hitondra an’i Madagasikara ho aiza ny famonoana sy fankahalana olona. Mbola ho avy ny maraina, hoy izy, ka tsy maintsy mbola hanjaka eto Madagasikara ny fifamelan-keloka sy ny fifankatiavana mba hiadanan’ny Malagasy. Nolaviny tanteraka ny fampiasan-kery. Tsy maintsy mijoro mba hanjakan’ny fahamarinana anefa ny mpino, hoy izy. Eo amin’Andriamanitra dia iray ihany ny marina fa tsy betsaka, hoy ihany ity mpitondra fivavahana. Ny fifamelan-keloka, ny fihavanana sy ny fifankatiavana no hany làlana hahafahantsika miala amin’izao krizy izao. Nampahery tokoa ny nihaino azy nitory teny. Hira maminy loatra ilay hira noforon’ny rainy hoe : “Tompo vonona aho, na aiza na aiza no aleha. Faly aho fa voantsonao”. Natao tamin’ny fandraisana ny zanany roa vavy ho mpandray ny fanasan’ny Tompo io hira io tamin’ny 15 mey 2010 ary natao ihany koa tamin’ny fanompoam-pivavahana fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra tamin’ny Alatsinainy 24 mey 2010 nohon’ny fodiamandriny. Nanana finoana pasitera Rivo fa ho tonga eto Madagasikara ny tena fahafahana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.