Somary nangingina ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana (HMF) taorian’ireny zava-nitranga teny amin’ny FIGN ireny ka nahafaty ny mpitari-tolona teo anivony. Nisy ihany ny fanambaran’ny mpikambana sasany teo anivon’ity hetsika ity nilaza fa tsy ireny tranga ireny akory no hampihemotra na hahafaty momoka, ny hetsika ataon’izy ireo hampanjakana ny fahamarinana eto Madagasikara, fa anatin’ny fandinihana lalina ny sitrapon’Andriamanitra izy ireo ankehitriny ka mety ho izay no anton’izao fahanginana izao. Raha tsiahivina dia mbola nisy pasitera hafa nohainoan’ny mpanao fanadihadiana ihany koa tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Momba ny Mpitandrina Rafanonerantsoa Valisoa indray kosa dia mitaraina tanteraka ny fianakaviany mahakasika ny daroka nihatra taminy. «Marary mafy izy amin’izao fotoana izao koa manainga ny manampahefana mba hamela ny hitondrana azy eny anivon’ny toeram-pitsaboana», hoy ireo olona akaiky azy miangavy. Manao «hémorragie interne» io mpitondra fivavahana io, araka ny vaovao azonay. Vao teny Mausolée mantsy izy io dia efa voadaroka ary tsy nijanona intsony izany na nandritra ny fotoana nitondrana azy tany amin’ny mpitandro ny filaminana na koa tamin’ny fotoana nanadihadiana azy…
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.