Finoana

Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana Tafiditra tao anaty vela-pandrika ?


  • Talata 25 Mey 2010

Na dia teo aza ny fanambaran’ireo mpitarika dia sarotsarotra ihany ny hino fa mbola ho afaka ny hanao famorian’olona ankalamanjana ny hetsiky ny mpitondra fivavahana, taorian’ny zava-nitranga teny Mausolée.

Inoana marimarina fa tsy hanome alalana azy ireo hanao hetsika n’aiza n’aiza intsony ny manampahefana, satria efa voasokajy ao anatin’ny mpanakorontana sy mpampirisika ny olona hanongam-panjakana amin’izao fotoana ny hetsiky ny mpitondra fivavahana. Niaraha-nahita sy nandre moa ny fanambaran’ny avy ao amin’ny fitondrana ny amin’ny fanakatonana tanteraka ny Radio Fahazavana izay  fitaovana anisan’ny nanamora ny fifandraisan’ny hetsiky ny mpitondra fivavahana (HMF) tamin’ny vahoaka. Ny mpitandrina iray namoy ny ainy, ary ny sasany naiditra am-ponja vonjimaika, ary mety hijanona maharitra any. Noho izany rehetra izany no nahatonga ny olona sasany nalaim-panahy nieritreritra hoe : ” sao dia tafiditra tao anatina vela-pandrika ny hetsiky ny mpitondra fivavahana ?”. Hita ho haingana loatra mantsy ny zava-nitranga rehetra, araka ny filazan’ny mpanaraka ity hetsika ity. Anisan’ny endri-panoherana sarotra novonoina mantsy iny hetsiky ny mpitondra fivavahana iny, na dia efa nitady ny paikady hanakanana azy ihany aza ny manampahefana. Ankehitriny anefa dia mora ho azy ireo ny manafoana tanteraka izany, araka ny lalàna,  satria efa voasokajy ho mpanongam-panjakana sy mpanakorontana ary mpanampy sy mpampirisika zandary hioko ny mpitarika teo anivon’ny hetsiky ny mpitondra fivavahana, taorian’iny raharaha FIGN iny. Tao mihitsy aza ireo mpanaraka mahafatra-po ny hetsika no nilaza fa mety resa-be natao hisintonana ny olona sy hampijabahana ny hetsiky ny mpitondra fivavahana fotsiny ilay fiokoana teny Fort Duchesne fa tsy zavatra tena marina akory. Ho hita eo ihany ny tohiny satria mandeha ny fanadihadiana amin’izao fotoana. Anisan’ny teny filamatry ny HMF rahateo moa ny hoe tsy misy marina izay tsy hipoitra…!

RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT