Finoana

FJKM Manameloka ny tsy fisian’ny fahalalahana mamosaka hevitra


  • Talata 25 Mey 2010

Mampisongadina ny hasarobidin’ny fahasamihafana ao anatin’ny fampiraisana sy filaminana izay tarihin’ny Fanahy Masina ny vanim-potoan’ny Pentekosta, hoy ny foibe FJKM.

Ny foibe izay manameloka ny tsy fisian’ny fahalalahana mamosaka hevitra eto amin’ny tany sy ny firenena izay abaribarin’ireo milaza ho mpitondra ankehitriny, amin’ny alalan’ny fitifirana ka nahafaty mpitandrina Fjkm iray sy ny nisamborana mpitondra fivavahana iray hafa tamin’ny fomba feno herisetra sy tsy misy fanajana, ny filazana am-bava ny fanakatonana tanteraka ny radio Fahazavana sy ny fitanana ireo mpanao gazety sy ireo teknisianina izay samy mpiasa ao amin’ny fiangonana Fjkm. Narahina fakana ireo fitaovana rehetra momba ny onjam-peo Fahazavana,  araka ny fanambarana nataon’ny Fjkm notarihin’ny filohany, ny Mpitandrina Rasendrahasina Lala Haja.  Araka ny fantatra àry, dia hanao fotoam-pivavahana lehibe ny FJKM hanehoana ny fiombonana sy ny firaisan-kina noho ny toe-javatra mitranga sy ny antsojay mitohy hatao aminy sy ny mpiasam-piangonana, anio talata tolakandro eny amin’ny FJKM Amparibe. Fantatra ihany koa fa tsy mandeha irery ny Fjkm amin’izao hetsika fijoroana ho vavolombelon’ny fahamarinana ataony izao. Miombona sy manohana ny fiangonana amin’izany ireo vondrom-piangonana sy fiangonana samihafa, ireo masoivoho vahiny, ireo tompon’andraikitra sy raiamandreny isan-tsokajiny. 

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT