• Zoma 03 Aogositra 2018
Fifamoivoizana.Fahasimban`ny lalana Samy tompon’andraikitra ny rehetra

Sahirana daholo ireo mpampiasa lalana eto an-drenivohitra satria tena be loatra ny lavadavaka sy fahasimbana. Misy ihany ny mpanao lalana hita manao ny fanarenana saingy toa peta-toko ny asa alasafay satria tsy maharitra iray volana akory ireny dia simba indray.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 01 Aogositra 2018
Fifamoivoizana.Saran-dalan’ny Taksibe 500 Ar ho an’ny FMA, 400 Ar ho an’ny UCTU

Hanomboka anio alarobia 1 aogositra no hampiakatra ny saran-dalana ho 500 ariary ireo taksibe mivondrona ao amin’ny FMA izay ahitana ny kaoperativa Mirindra (194-163), Mihary (165), Sitraka (109), Kofitama (143), Mitambatra (166) ary Onja (192).

Hamaky ny tohiny
  • Sabotsy 28 Jolay 2018
Fifamoivoizana.Vondron’ny mpitatitra FMA Tsy maintsy hampiakatra saran-dalana ho 500Ar

Voatazona hatrany hatreto ny hiakaran’ny saran-dàlana ho 500Ar ho an’ny Fikambanan’ny mpitatitra mivondrona ao anatin’ny FMA (Fitaterana Mendrika eto Antananarivo) ahitana koperativa miisa 8 eto an-drenivohitra, dia ny zotra 109, 143, 163, 165, 166, 172, 192, 194 manomboka ny 1 aogositra.

Hamaky ny tohiny
  • Sabotsy 28 Jolay 2018
Fifamoivoizana.Fiarabe nahafaty olona Nitsoaka saingy nivadika

Olona 3 mianaka nitaingina bisikileta no nofaohan’ny fiarabe an’olon-tsotra mpitatitra hazo tao Befotsy Moramanga omaly antoandro, ka maty teo no ho eo ny ramatoa iray, fa ny vadiny sy ny zanany kosa naratra mafy, ka nalefa haingana any amin’ny hopitaly.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 27 Jolay 2018
Fifamoivoizana.Gare routière Ambohimanambola Lavitra loatra sady tery,hoy ireo mpitatitra

Noho ny halaviran-toerana sy ny hateren’ny foto-drafitrasa vaovao eny Ambohimanambola no tena tsy mampazoto ireo mpitatitra etsy amin’ny Fasan’ny Karana hifindra eny, raha araka ny fanadihadiana natao.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 26 Jolay 2018
Fifamoivoizana.Moto nisongona “sémi-remorque” Vehivavy 1 maty tsy tra-drano

Nisehoana loza mahatsiravina indray teny amin’ny lalàn’i By Pass, tsy lavitry ny tetezan’Androndrakely omaly hariva tokony ho tamin’ny 4 ora tany ho any.

Hamaky ny tohiny
FTT